Songadim-baovaoSosialy

BAKALOREA 2025: Mpiadina miisa 222 330 hiatrika fanadinana manomboka anio

Omaly no nampahafantatra tamin’ny fomba ofisialy ny antontanisa tsara ho fantatra mahakasika ny fanadinana bakalorea ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES). Fantatra, araka izany, fa miisa 222 330 ireo mpiadina manerana ny Nosy hiatrika ny fanadinana bakalorea 2025 manomboka amin’ity anio ity. Nahitana fitomboany io antontanisan’ny mpiadina io raha oharina amin’ny taom-panadinana tamin’ny taon-dasa izay nahitana mpiadina miisa 218 395. Kandidà miankina amin’ny sekoly avokoa ny 207 090 amin’ireo mpiadina miatrika fanadinana manomboka anio, raha toa ka kandidà tsy miankina ny 15 240 ambiny. Ahitana mpiadina betsaka hatrany ny eto Antananarivo izay mitotaly 81 315, manaraka azy ny ao Fianarantsoa izay ahitana mpiadina miisa 35 941 ary ny any Toamasina izay manana mpiadina miisa 33 867. Miisa 27 724 kosa ireo mpiadina any Toliara, 24 774 ny any Mahajanga ary mpiadina miisa 18 709 ny any Antsiranana.

Nitondra hafatra sy teny firariantsoa ho an’ireo mpiadina rehetra hiatrika ny fanadinana bakalorea 2025 moa ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa Pr Chaminah Loulla omaly. Nambarany tamin’izany fa zava-dehibe ho an’ny tanora ny fananana ny diplaoma bakalorea fa mbola ilaina lavitra noho izany kosa ny fanana fahaizana mifandraika amin’io diplaoma io. Noho izany dia hafatra nampitainy tamin’ireo rehetra hiatrika ny fanadinana ny hoe ny fahalalana sy ny fahaizana no hoantoky ny hoavy mamiratra. Ny diplaoma dia marika iray hahafahana maminavina ny fahaizana kanefa ny fahaizana no tokony hialoha ny diplaoma. “Izany no hanentanana antsika tsy ho very, tsy ho diso sy tsy handeha amin’ny tsy izy, fa tena hifantoka tanteraka sy hatoky ny fahaizantsika izay noratovintsika nandritra ny 13 taona eo ho eo. Hanatanteraka izany fanadinana izany am-pahendrena sy am-pahamendrehana”, hoy hatrany ny Minisitra. Nanamafy ny fanentanana ho an’ireo Ray aman-dReny sy ny mpisehatra rehetra amin’ny fanadinana ihany koa ny tenany, mba samy ho tony sy hanatanteraka amin’ny tokony ho izy ny andraikitra rehetra izay sahaniny.

Ankilany, ny Ministera dia manohy hatrany ny ezaka rehetra hahafahana manatanteraka amin’ny antsakany sy andavany ny fanadinana bakalorea 2025, hoy ny tompon’andraikitra. Zava-baovao nentina tamin’ity taona ity, raha tsiahivina, ny fampiasana “caméra de surveillance” amin’ny fanarahana ireo laza adina rehetra, nanomboka tamin’ny fitaterana azy niainga teto Antananarivo hatrany amin’ny ivontoeram-panadinana izay hanatobiana ny laza adina. Miasa 24 ora amin’ny 24 ora ireo fitaovana fanaraha-maso ireo, hoy ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony, ary tsy misy afa-tsy ny ao amin’ny Ministera ihany no mahita ny sary azo avy amin’izany. Avo lenta ireo fitaovana ampiasaina ireo satria hahazoana mifandray mivantana amin’ireo olona any amin’ny toerana misy ny laza adina tsirairay. Raha sendra misy ny hamehana tampoka, noho izany, dia hahazoana mandray fepetra ao anatin’ny fotoana fohy ny fisian’ireo fitaovana fanaraha-maso ireo.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer