Songadim-baovaoSosialyTrangam-piaraha-monina
BAKALOREA TARANJA MATEMATIKA: Mpianatra 6 nahatrarana “formule” tao anaty masinina fanaovana kaonty
Mpianatra miisa 7 no nahatratra hosoka mialohan’ny nidirana tany amin’ny efitranom-panadinana, tany Betroka omaly maraina, mialoha ny niatrehana ny taranja matematika. Nandritra ny fisavana teo am-bavahadin’ny toeram-panadinana dia nahatrarana “formule mathématique” tao amin’ny tranon’ny masinina fanaovana kaonty (housse machine calculatrice), an’ny mpiadina miisa 6. Io fitaovana io izay azo ampiasaina rehefa hiatrika ny taranja matematika. Iaraha-mahalala fa taranja anisan’ny sarotra no niatrehana omaly maraina, indrindra ho an’ireo mpiadina any amin’ny sokajy literera, ka nahatonga ireo mpiadina voasarika amin’ny fanaovana hosoka. Ankoatra ireo mpiadina 6 ireo dia mpiadina 1 hafa ihany koa no tratra saika hitondra finday tany amin’ny efitranom-panadinana.
Manoloana ireo, fepetra noraisina ny fanagiazana avy hatrany ireo fitaovana misy hosoka. Afaka niatrika ny fanadinana ihany ireo mpiadina taorian’izany satria fotoana talohan’ny nidirana tao amin’ny faritry ny sekoly no nahatratra ny tranga, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra any an-toerana. Hafa indray ny fepetra nanandrify noraisina raha toa ka tao amin’ny efitranom-panadinana no tra-tehaka ireo hosoka ireo. « Maro tamin’ireo mpiadina no niantehatra tamin’ny sopapa sy ny « support électronique » ka nisy sahady ny tsy niverina omaly hariva. Mety mbola hitombo izany aorian’ity matematika ity », hoy ny lehiben’ny Distrikan’i Betroka Randrianarivelo Fanolezantsoa Roger. Mba ho bakalorea madio anefa ny tanjona. Noho izany dia hamafisina hatrany ny fepetra fiarovana rehetra sy ny fisorohana mialoha izay mety ho hosoka. Hampitomboana ny fisavana mialoha ny fidirana ny faritry ny toeram-panadinana, maraina sy hariva ary hatao isan’andro. Savaina daholo rehefa mampiahiahy, na kitapo izany, poketra, satroka hatramin’ny ba kiraro. Nandritra ny fanadinana BEPC natao farany teo mantsy dia nisy mpiadina tratra nanafina finday tanaty ba kiraro.
S.S




