PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA LOHOLONA: Midongy tsy handray anjara, te hifikitra mafy amin’ny sezany i Rivo Rakotovao !
Tsy tsara toerana mihitsy i Rivo Rakotovao hiresaka momba ny fanitsakitsahana ny lalàna mifehy ny firafitry ireo ho mpifidy vaventy amin'ny fifidianana loholona manaraka. Moa ilaina tsiahivina ve fa ny filohan'ny Antenimieran-doholona dia tao amin'ny fitondran-dRajaonarimampianina izay nikarakara ny fifidianana loholona tamin'ny taona 2015 ?
Ny taona 2015, nikarakara fifidianana loholona ny fitondrana Rajaonarimampianina. Tamin’izany dia toy izay ho mpifidy vaventy amin’ny fifidianana hatao ny 11 desambra 2020 izao ihany ny firafitry ny mpifidy vaventy. Tao anatin’izany fitondrana izany i Rivo Rakotovao, izay filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny. Iray amin’ireo mampiaka-peo mitsikera io firafitry ny mpifidy vaventy io anefa ny lehilahy.
« Maninona tamin’ny fotoana tsy nilaza izy hoe tsy ara-dalàna ny fifidianana loholona 2015? », hoy Lalatiana Andriatongarivo, mpitondra tenin’ny governemanta raha naneho hevitra momba izany tsikera ataon’i Rivo Rakotovao sy ireo loholona HVM sasantsasany izany.
Tsiahivina fa tamin’izany, tsy nisy koa ireo olom-boafidy avy amin’ny Faritra, satria tsy mbola nofidina ny lehiben’ny Faritra sy ny mpanolotsaina rezionaly. Tonga amin’ilay fitenenana hoe « ny tsy azo atao dia tsy mahavoafatotra ». “A l’impossible, nul n’est tenu« , hoy ny dikateny frantsay mahalaza azy. Mazava ho azy fa rehefa zavatra tsy azo anoharana dia tsy misy afaka miresaka tsy fanarahan-dalàna mihitsy.
Ny tetika dia ny tsy hisian’ny fifidianana
Nahitsy i Lalatiana Andriatongarivo manoloana ny fampiakaram-peo ataon’i Rivo Rakotovao sy ny namany. “Mazava” hoy izy ny “tanjon’ny mpanohitra, fa indrindra ny filohan’ny Antenimierandoholona, dia ny hifikitra amin’ny sezany amin’ny fomba rehetra, na dia amin’ny fomba tsy ara-dalàna aza”. Antony iray hikatsahan’izy ireo izay fomba rehetra tsy hahatanteraka ny fifidianana loholona amin’ity taona 2020 ity. Tsy tokony ho hadinoina anefa, fa ny 2 Febroary 2021 no mifarana ny fe-potoam-piasan’ny loholona ankehitriny. Midika izany fa ny fikarakarana ny fifidianana rehetra dia tsy maintsy atomboka mialoha, mba hahafaha-manana loholona vaovao voafidy sy voatendry amin’io datin’ny 2 febroary 2021. Saingy, raha arahina izany ny lojikan’ny fanoherana dia tsy hisy fifidianana amin’ny volana Desambra ary tsy hisy mpikambana voafidy vaovao amin’ny volana febroary 2021. Izany hoe, tokony hofoanana ny Antenimierandoholona satria tsy azo atao mihitsy ny manitatra ny fe-potoam-piasan’izy ireo. Tsy azo atao anefa na ny fanemorana ny fifidianana satria ny antony aroson’ireo mpanohitra dia tsy afaka manamarina ny tsy hanatanterahana ny fifidianana, na ny fanafoanana ny Antenimieradoholona ho fanajana ny lalàmpanorenana. Hany herin’I Rivo Rakotovao sy ny tariny dia ny milaza fa hidongy tsy handray anjara, izay fomba fanao tsy mahagaga, indrindra ho an’ireo efa mahafantatra fa tsy manana tanjaka politika hiatrehana fifidianana.


