PolitikaSongadim-baovao

FIHAONANA AN-TAMPON’NY « SADC »: Vonona amin’ny fandraisana i Madagasikara

Vanim-potoana hanan-tantara amin’ny firenena malagasy ny fotoana handraisantsika ny Fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena sy Lehiben’ny Governemanta eo anivon’ny SADC ny 3 hatramin’ny 18 Aogositra 2025 ho avy izao, izay hiditra amin’ny andiany faha-45. Sambany mantsy no hampiantrano ity fihaonambe ity i Madagasikara, na dia efa 20 taona aza izay no naha mpikamban’ny SADC an’i Madagasikara, hoy ny fanazavan’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika. Ity farany izay nanipika mazava fa efa vonona tanteraka i Madagasikara amin’ny fandraisana ity hetsika goavana ity.

Mahakasika izay indrindra dia nisy omaly ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety nampahafantarana  tamin’ny fomba ofisialy ny ireo fandaharam-potoana sy ny tetiandro mandritra ny fihaonana an-tampon’ny SADC. Ivon’ity fihaonana iraisam-pirenena ity moa ny fandraisan’ny Filohan’ny Repoblika malagasy Andry Rajoelina, ny fitarihana ny SADC, mandritra ny fepotoana herintaona. Araka izany, dia sambany ihany koa hisy filoha malagasy hisahana izany andraikitra goavana izany teo amin’ny tantara.

Laharam-pahamehan’i Madagasikara

Nandritra ny valandresaka omaly no nampahafantarana sy namelabelarana ny lohahevitry ny fihaonana, dia ny hoe « Promouvoir l’industrialisation, la transformation agricole et la transition énergétique pour une SADC résiliante « . Araka ny fanazavana, natao nifanandrify indrindra amin’ireo andry ifotoran’ny asa fampandrosoana eto Madagasikara ankehitriny ny lohahevitra nosafidiana, mba hametrahana ny laharam-pahamehantsika amin’ny dinidinika rehetra. Ao anatin’ny fandaharam-potoana koa dia hisy ny kaonferansa iraisam-pirenena lehibe hatao eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo hiarahana amin’ireo manam-pahaizana sy ireo mpikaroka malagasy sy vahiny izay hetsika eo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina.

Sambany eo amin’ny tantaran’i Madagasikara ny hampiantrano io fihaonana an-tampony izay andraisan’ny firenena 16 anjara io ary maro ny tombontsoa hositrahan’ny vahoaka Malagasy amin’izany… Tanjona ny hampahafantarana ny zava-bitan’ny SADC, hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-paritra na amin’ny lafiny fifanakalozana ara-barotra, ny fametrahana fandriampahalemana, fampiroboroboana ny indostria, fanatsarana ny fambolena, ary hanohanana ny fikarohana eny amin’ny anjerimanontolo, araka ny fanazavana hatrany.

Nitondra fanazavana manoloana ny mpanao gazety tetsy amin’ny foibe fandrindrana ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny SADC tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina omaly ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rafaravavitafika Rasata,  ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina Mara Volamiranty Donna, ary ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Chamonah Loulla.

LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer