Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
AMBOHIMALAZA: Fatin’olona iray hita tao anaty sakaosy
Taorian’ny resaka fahapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, izay nahafatesana olona maherin’ny 30, dia mbola malaza indray ny ao amin’ny Kaominina Ambohimalaza ao tao anaty tambajotra an-tserasera sosialy, fa nisy faty olona anaty sakaosy hita teny amin’ny kaominin’Ambohimalaza, omaly tolakandro. Raha ny angom-baovao, dia tao anaty lavadrano efa tsy niasa intsony io faty io no nisy nahita ka voatery nampakarina, teny amin’ny toerana filalaovam-baolina eny Ambohimanambina Marovitsika. Raha ny tsikaritra, nifatotra tady ilay faty, tombanana efa lehibe ilay lehilahy. Raha ny fijery azy, dia hita ho nisy namono ka nafatotra. Heverina fa niharan’ny habibiana ity lehilahy maty nisy namatotra ka natao tao anaty sakaosy ity. Ahitana tombokavatsa eo amin’ny tratran’ilay lehilahy nisy namono ity. Tsy mbola nisy nahasahy nikitika ny razana fa niandry ny dokotera sy ny avy amin’ny Zandarimaria, hizaha ny razana.
Manomboka very hasina ny fankamamian’ny Malagasy ny aina. Manaporofo izany ny fisiana vono olona etsy eroa ity. Tsy mandehandeha ho azy anefa izy ireny, fa matetika olona akaiky na misy fifandraisana amin’ilay olona no mahavanon-doza. Very hasina tanteraka, araka izany, ny fanajan’ny Malagasy momba ny aina. Efa tsy loza mihantona ho an’ny isan-tokantrano io, fa efa loza mihatra ka ilàm-pitandremana fatratra. Antony mahatonga azy io mirongatra izaitsizy, ny resaka fahantrana. Eo koa ny toe-tsaina, te hanambe tampoka, amin’ny herim-po tsy nisasarana. Zary toe-tsaina raiki-tapisaka nahazo laka aty amin’ny tany mahantra izany. Manomboka mahazo faka eny amin’ny fiarahamonina eny, ireo karazana loka, mandatsaka ny mpiara-belona, amin’ity resaka hanankarena tampoka. Ny zava-doza, don-tapany mandoa erany hatrany ireo mpilalao. Vokany, lasa manita-kevitra raha tsy manana anton’asa. Mety hiafara hatrany amin’ny ratsy (h)atao raha tsy mitandrina. Eo koa ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, ka mahatonga ireo olon-dratsy ho sahisahy ka na miafara hatramin’ny fandatsahan’aina aza, dia tsy mihemotra.
Pierre M.




