
Songadim-baovaoToekarena
ORINASA “XIAOMI” ANY CHINE: Mamokatra fiara 1.000 isa isan’andro
Manatanteraka fitsidihana ofisialy any Chine ny delegasiona malagasy tarihin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Richard Ravalomanana. Miara-dia aminy any an-toerana koa ny Loholon’i Madagasikara, Lalatiana Rakotondrazafy. Efa nisy moa ny fihaonana teo amin’izy ireo sy ny Filohan’ny Antenimierampirenena sinoa. Afak’omaly izahay nitsidika an’ilay orinasa goavana be, Xiaomi any Beijing Chine. Mety mpanao finday sy fitaovana électro-ménager no nahafantarantsika azy, fa mpanamboatra fiara mandeha amin’ny herinaratra na « voitures électriques » laharana voalohany aty Chine koa izy. “Ny tiako zaraina amintsika raha avy nitsidika an’io orinasa io izahay, nahita ny fomba fanamboarana fiara tao mihitsy dia tsotra be : TSY MISY FAHAGAGANA izany raha te handroso fa « ASA SY EZAKA » ary fanajana lalàna sy fitsipi-pifehezana ihany (DISCIPLINE) no fanalahidy voalohany”, hoy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.
Miandry herintaona
Mihodina 22 ora amin’ny 24 ora io orinasa io, izany hoe misy ekipa maro mifandimby fa adiny 2 ihany no mitsahatra kely ao anatin’ny 1 andro feno. Isaky ny 76 segondra dia mahavita manambatra ny « carrosserie » ny fiara 1 izy ireo, isaky ny 76 segondra dia mahavita mandoko fiara, sns… mahavita manangana fiara 1.000 isa isan’andro, izany hoe eo amin’ny 40 ka hatramin’ny 45 isa isan’ora eo. An-jatony ny « ingénieurs » miketrika ao fa maherin’ny 400 kosa anefa ny « machines robotisées » miodina ao. Ny hitanay fotsiny izay fa mety mbola mihoatra lavitr’izany ny totaliny.
Ao anatin’ny taona iray dia tafakatra 240.000 fiara no vitan’izy ireo ny mamokatra azy. Ary mbola amidy amin’ny tsena anatiny avokoa fa tsy mbola manondrana. “Maharitra 1 taona ny fiandrasanao ny fiara ao anaty « liste d’attente » raha hividy azy ianao. Izany hoe raha izao ianao no manao « commande » dia afaka taona 1 azonao ny fiaranao. Eo amin’ny 45.000 USD na manodidina ny 240 tapitrisa Ariary eo ny vidiny vaovao”, hoy ny fanazavana. Manana « autonomie » 700 km ny fiara iray amin’ny herinaratra, ary 8 taona ny antoka na « garantie constructeur » omeny. Nefa mafy sy matanjaka ny fiara, tena fihavaozana teknolojika goavana (innovation technologique) ny fanamboarana azy, anisan’ny mpiara-miasa amin’izy ireo amin’ireo singa na « pièces » toy ny batteries sy ny moteurs ny TESLA sy ny BYD.
“Tsy azo nalaina sary moa ny tao anatin’ireo ateliers miisa 6 izay notsidihinay amin’ny fanamboarana ireo « pièces détachées » samihafa sy ny fananganana ny vataben’ny fiara mihitsy fa tena azoko lazaina fa miasa tena miasa ny sinoa ary io anisan’ny maha-mafy be azy. Tsy misy kamo sy tsy miasa izany, tsy misy olona mijorojoro eny an-dalana na mipetra-potsiny amin’ny sisin-dalana na any anaty elakelan-trano any fotsiny, fa miketrika miasa sy miezaka e, ary tsy misy miady andro tsy iasana hoe « pont » izany” , hoy ny tatitra.
Ny Fanoratana.



