Songadim-baovaoToekarena

HERINANDRON’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA: Ho ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra ara-toekarena eo anivon’ny SADC

Ankatoky ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny SADC isika eto Madagasikara ankehitriny. Mialohan’izay anefa, dia misy ilay Herinandron’ny Fampiroboroboana ny indostria eo anivon’ny SADC, na ilay antsoina hoe, “Semaine de l’industrialisation de la SADC”. Miditra amin’ny andiany faha-8 ny hetsika amin’ity taona ity. Araka ny tetiandro dia ny alatsinainy 28 jolay izao no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ity hetsika ara-toekarena ity, ary tsy hifarana raha tsy ny 01 Aogositra 2025. Ho ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra ara-toekarena isan-tsokajiny eo anivon’ny SADC ity herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria ity. Ary araka ny nohamafisin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra, David Ralambofiringa , dia efa miha tonga tsikelikely ireo delegasiona avy amin’ireo firenena 15 hafa mpikamban’ny SADC, ankoatra an’i Madagasikara, izay efa tafakatra hatrany amin’ny 150 isa. Samy amin’ny sokajiny avy ireo delegasiona tonga eto amintsika ireo, araka ny tatitra. “Ao ireo orinasa tsy miankina avy amin’ireo firenena mpikambana izay manam-pikasana hifampiraharaha amin’ny mpandraharaha malagasy koa, ao anatin’ny sehatry ny indostria”, hoy hatrany ny Minisitra tomponandraikitra.

Afaka mampandroso ny sehatry ny indostria

Ny Filohan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara, Tiana Rasamimanana kosa tetsy ankilany dia nanazava fa ny indostria no ivon’ny toekarena. Rehefa matanjaka, hoy izy, ny sehatry ny indostria dia matanjaka koa ny toekarentsika. Notsipihan’ny Filohan’ny SIM fa mandritra io herinandro io no hahafahantsika mampiseho ny taratry ny fandehan’ny indostria eto Madagasikara, sy ny fomba fiarahana amin’ireo mpiara-miombona antoka eo anivon’ny SADC. “Raha haintsika ny mampiseho izay tombony ananantsika eo amin’ny sehatry ny indostria eto Madagasikara dia afaka mampandroso isika ny sehatry ny indostria eto Madagasikara miaraka amin’ny SADC”, hoy hatrany ny fanazavana.

Omaly moa dia notolorana fankasitrahana ireo sehatra tsy miankina rehetra sy ireo mpiara-miombona antoka amin’ny fanatanterahana ny herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria eo anivon’ny SADC. Isan’izany ny Yas Madagascar, izay manohana hatrany raha vao hetsika mitondra mankany amin’ny fampivoarana ny toekarena sy ny fampandrosoana. Ao amin’ny sokajin’ny “Sponsors Platinium” moa no misy ny Yas Madagascar amin’ity hetsika lehibe ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer