Songadim-baovaoSosialyTrangam-piaraha-monina
TSINGERINTAONA NAHAFATY OLONA 32: Fantatra ireo poizina nampiasaina, niaiky ny helony ilay tompon’antoka
Manoloana ny raharaha mikasika fanapoizinana niteraka famoizana ain’olona 32, dia nisy ny tatitra nataon’ireo Minisitra tomponandraikitra, tao amin'ny Lapam-panjakana ao Iavoloha omaly alina, niaraka tamin’ny Filoha Andry Rajoelina, ka nanomezana ny tatitra sy fanazavana rehetra ny vahoaka malagasy. Voaporofo hatrany fa famosaviana no nitranga nandritra iny tsingerintaona mainty “14 jona” lasa teo iny, izay valifaty sy disadisam-pianakaviana. Niaiky ny heloka vitany ilay tompon’antoka, izay efa nidoboka any am-ponja. Na izany aza, mbola tsy mikatona ny fanadihadiana…
Araka ny nanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fampitam-baovao, fa efa nataony laharam-pahamehana hatrizay fa ny marina hatrany no ho lazaina ho an’ny vahoaka malagasy, momba ny raharaha tsingerintaona mainty nahafatesana olona 32 tetsy Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no nampiantso ireo minisitra tomponandraikitra, izay niara-nanotrona azy, ny tomponandraikitra samihafa, ahitana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Filaminana Anatiny, ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Tonia Mpampanoa lalàna, izay natrehina mpanao gazety mianadahy, avy amin’ny fahitalavitra tsy miankina sy avy amin’ny Haino aman-jerim-panjakana. Nandritra ny tatitra omaly, no namakian’ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimaria, ny Jeneraly Andriantsarafara Rakotondrazaka bantsilana fa “ nisy ny nanao “fiaikena” fa tena nanao ilay fanapoizinana ka nahafaty olona miisa 32. Tonga tany amin’ireo tompo-manjo, izay olona eo Ambohimirary ihany io olona io ka nifona tamin’izy ireo. « Mifona aminareo aho fa tsy nampoiziko hahavoa azy mianadahy kely ity tranga ity », hoy io olona io, tamin’izany. Notsindriany, fa na naheno ny voina niseho aza io olona io, dia tsy mba nivoaka ny trano. Andro vitsy taty aoriana, nanapa-kevitra izy nandeha nifona. Voarakitra anaty fitanana an-tsoratra momba ny fakana am-bavany azy izany.
Efa saika tamin’ny 10 jona 2025
Fantatra nandritra ity tatitra ity koa, fa efa saika tamin’ny 10 jona lasa teo, no nokasaina hatao iny fanapoizinana iny, saingy tsy tonga namonjy fety tamin’io andro io ilay olona nokendrena ka najanona. Ny nampalahelo moa, dia notanterahina ihany ilay izy, efatra andro taorian’io, ny sabotsy 14 jona. Efatra andro taorian’izay, dia efa nisy ny fisamborana ireo nahina ho nahavanon-doza. Fantatra taorian’izay, fa tena valifaty sy disadisam-pianakaviana efa nandritra ny taona maro ilay anton’ny fanapoizinana ». Olona telo hatreto, no nidoboka am-ponja ary ananana porofo avokoa.
Nambaran’ny Tonia Mpampanoa lalàna, Narindra Navalona Rakotoniaina, nandritra tamin’ny tafa natao omaly alina, “fa asa an-terivozona mandra-pahafaty no sazy hihatra amin’izay nahavanona ny famonoan’olona tamin’ilay fanapoizinana tetsy Ambohimalaza”. Na dia tsy maty aza ilay niharam-boina, raha voaporofo ny fikasana hamono azy amin’ny poizina, dia ampiharina ihany koa ny sazy voalazan’ny andininy. Asa anterivozona mandra-pahafaty no sazy hihatra ka antony tsy hirotorotoana momba ny fanadihadiana. “Tsy afaka hatao maikamaika ny famotorana sy ny fitsarana, ary tsy hisy ho voadingana ireo rehetra tokony hatao famotorana sy alaina am-bavany”, hoy izy nanamafy. Ho atao ampahibemaso ny fitsarana io raharaha io, rah any fanampim-panazavana.
Zavamaniry roa…
Ilay nanao ny fikarakarana ny sakafo no fantatra fa rangory fototry ny afo tamin’ity resaka fanapoizinana ity. “Cousine”-n’ny tompom-pety izy. “Efa niaiky mihitsy ilay nanao ny fanapoizinana fa izy no tompon’antoka. Mandry ny sainy, hoy izy, fa vita ny valifatiny ary vonona hizaka izay vokatr’izany izy”, araka ny tatitry ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina omaly. « Datura » sy « Belladone », ireo no zavamaniry izay hita eto Madagasikara no nampiasainy tamin’ilay raharaha fanapoizinana, (…), hoy ny Filoha, raha tsy namaky bantsilana momba azy io ireo tomponandraikitra isan-tokony. Rehefa fantatra ireo singa dia nampidirina avy hatrany tao amin’ireo marary ny fanafany, nanomboka ny 17 jona lasa teo, saingy nisy tamin’ireo marary no nanana toe-batana tsy nandray izany mihitsy ka nitarika ny fahafatesany, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Zely Andriamanantany izay nisaotra ny mpiasan’ny fahasalamana tamin’ny ezaka rehetra nataon’izy ireo.
Rado Harivelo




