Songadim-baovaoSosialy

HETSIKA « CFME » ANDIANY FAHA-9 : Hisy ireo karazana tolotr’asa sy fiofanana ho an’ny tanora

Hiditra amin’ny andiany fahasivy ny hetsika “Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi”, izay ambohi-pihaonan’ireo tanora vao afaka fanadinana mitady lalam-piofanana arahina, sy ireo tanora efa andalam-pitadiavana asa. Etsy amin’ny Alliance Française Antananarivo no hotanterahina izany hetsika izany, manomboka ny alatsinainy 28 Jolay ka hatramin’ny 2 Aogositra 2025.

Araka ny fanazavana, ny 28 sy 29 jolay dia ahitana an’ireo atrikasa hiresahana sehatra maro, izay azo antoka fa hahaliana ny tanora tokoa. Hisy firesahana momba ny fandraharaha, ny asa tanana, ny haitao ara-kajimirindra, ny fizahatany sy ny sisa hafa koa, mandritra izany. Ankoatra izay, hisy ny resaka fampivoarana ny maha olona, sy ny fianarana mankany ivelany. Mandritra ny hetsika dia hisy koa ny torolalana ho an’ireo mpianatra vao afaka fanadinana ka maniry ny hiditra amin’ny anjerimanontolo. Hisy koa fampiofanana an’ireo tanora mahakasika ny fitadiavana asa. Tsara ho fantatra fa hisy ny fanangonana antontan-taratasy fitadiavana asa ho ataon’ireo orinasa mitady mpiasa amin’io fotoana io. Izany hoe, hisy fihainoana (entretien) mivantana ireo tanora mitady asa. Anisany hisongadina amin’ity hetsika ity moa ilay fifaninanana famoronana tetikasa, ka izay mpandresy amin’izany dia hahazo 800 000 Ariary entina hanatanterahana ny tetikasa.

Anisany mpiara-miasa mavitrika sy mpanohana izao hetsika izao moa ny Yas Madagascar. Ny tomponandraikitra avy ao amin’itsy farany izay nilaza fa mifanojo tanteraka amin’ny fomba fijerin’ny Yas Madagascar ity hetsika ity, noho izy ireo samy manome lanja ny tanora. Ho an’ny Yas manokana dia saika tanora manodidina ny 34 taona eo hatrany no raisina miasa, ary ny tolotr’asa mifandraika amin’izany dia hita ao amin’ny pejy ofisialin’ny orinasa ao amin’ny tambazotran-tserasera.

Ho an’ny tamin’ny andiany farany moa dia tafakatra hatrany amin’ny 4000 isa ireo mpitsidika. Antenaina fa tsy ho latsa-danja amin’izany amin’ity indray mitoraka ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer