PolitikaSongadim-baovao

HETSIKY NY SENATERA MPANOHITRA: “Tahotra fifidianana no tena ambadika”, hoy ny Solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa

Nanatanteraka fivoriana teny amin’ny Panorama ireo antoko politika avy amin’ny fanoherana notarihin’ireo senatera mpanohitra omaly. Fivoriana izay nambara fa “ho fanarenana ny tany tan-dalana, ny teny ierana, ary ny fanjakana tsara tantana”. Fikarohana hevitra hifikirana amin’ny seza sy ny tahotra fifidianana anefa no tena ambadika raha ny fahitan’ny solomabavambahoaka Fetra Rakotondrasoa ny fihetsiketsehana.

Mitady hevitra fatratra hanalavana ny fe-potoam-piasana ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao sy ny tariny, ireo avy amin’ny tariky ny HVM sasany. Nikarakara “fikaonandoha ho fanarenana ny tany tan-dalàna, ny teny ierana, ary ny Fanjakana tsara tantana” niarahana tamin’ny Vondron’ny parlemantera avy amin’ny fanoherana sy ireo antoko mpanohitra maromaro, tsy mankasitraka ny Fitondrana izy ireo, omaly. Isan’ireo antoko tonga teny an-toerana ny avy amin’ny antoko Tim, misy ny Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny avy amin’ny HVM, ny  UNDD, Otrikafo, MFM, ny Rds, FFF,  KMSI sy ny maro hafa. Naverimberin’ izy ireo nandritra izany fivoriana teny amin’ny Panorama omaly izany, ny hoe “tsy manaja lalàna ny fitondrana ankehitriny” na koa hoe “mitsipaka ny fifidianana amin’ny 11 desambra”.

Fihetsiketsehan’ireo andalam-pamaranana ny lalam-piainana politikany

Ho an’ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa, “fihetsiketsehana fotsiny no betsaka”. Fihetsiketsehan’ireo efa andalam-pamaranana ny lalam-piainana politikany. Rehefa nojerena tokoa ireo nandray anjara tamin’ilay fikaonandoha dia ireo loholona HVM sy TIM, sy ireo mpanao politika, izay efa mahafantatra ny herijika politikany eo amin’ny fifidianana no betsaka.

Fomban-javatra ihany izany rehefa tapi-dalan-kaleha amin’ny ady hevitra demokratika atao eto amin’ny Firenena satria mahalala ny ankamaroan’izy ireo fa vita hatreo ny lalan’izy ireo eo amin’ny politika”, hoy hatrany ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Miarinarivo.

Tsy misy tsy mahalala tokoa fa marefo ny antoko HVM. Tsy voafafan’ny tantara ny vokatra azon’ny kandidany tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena, miampy ny hoe, tsy nanana na dia kandidà iray aza izany antoko izany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny ny fifidianana kaominaly. Toraka izany koa ny antoko TIM. Niaraha-nahitana ny faharesen’ny kandidà natolony tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, sy tamin’ny fifidianana ben’ny tanànan’Antananarivo. Tsy mahagaga raha manahy sy matahotra hiatrika fifidianana hafa indray amin’ity taona ity.

Ratsy toerana

Momba ny ambaran’ny ekipan-dRakotovao Rivo sy Marc Ravalomanana fa tsy fanarahan-dalàna ataon’ny fitondrana ankehitriny dia nahitsy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa.

Ratsy toerana ireo olona ireo manao tsikera sy mitady hanome lesona momba ny atao hoe fanarahan-dalàna ireo” , hoy izy, “satria ny fitondrana na TIM na HVM izay nisy an’ireo olona ireo dia tompondaka tamin’izany tsy fanarahan-dalàna izany ary tsy mbola very tadidy akory ny vahoaka ka hanadino sahady ny zava-nisy nandritra ny fitondran’izy ireo”.

Iza tokoa moa no nanadino ireo fandikana miverimberina ny lalàmpanorenana nataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina, izay nitondra tamin’ny hetsiky ny solombavambahoaka ary nitarika hatramin’ny fananganana governemanta niaraha-nitanatana sy ny fanatanterahana fifidianana nialohan’ny fotoana ? Tsy vitsy koa angamba no mbola mahatsiaro ny jadon’izany fitondrana Ravalomanana izany ? “Aza ahodinkodina ny resaka”, hoy Fetra Rakotondrasoa namely mivantana ireo mpanao politika nivorivory teny Andrainarivo “fa fifikirana amin’ny seza sy tahotra fifidianana no tena ao ambadik’izao fihetsiketsehana rehetra izao”.

Tsipaky ny miala aina…

Efa hatramin’ny nandraisan’ny Filoha Andry Rajoelina ny fitantanana ny Firenena, ny taona 2019 no nanomboka nanisa andro ny ekipan’i Rivo Rakotovao ao Anosikely, sy ireo loholona mpanohitra. Ny antony dia nazava ny foto-kevitra nijoroan’ny Filoha. Fehezina ny fandaniam-bolam-panjakana ka alefa amin’ny asa ho an’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina ny vola. Iray amin’ireo fomba hampihenana ny fandaniam-bolam-panjakana ny fanafoanana na fara faharatsiny ny fampihenana ny isan’ny loholona. Isan’ny fandaharanasa naroson’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny ekipany izany nandritra ny fampielezan-kevitra ary isan’ny teboka nifidian’ny vahoaka azy. Namarana ny dingana hirosoana amin’izany ny fankatoavan’ny parlemanta ilay volavolan-dalàna mankato ny rijan-teny vaovao hifehy ny antenimierandoholona farany teo. Azo ambara, noho izany, fa tsipaky ny miala aina sisa ny an’ireo loholona HVM sy TIM sasantsasany, izay efa ho lany fotoam-piasana rahateo amin’ny febroary 2021.

Fermer