PolitikaSongadim-baovao

“PARC SOLAIRE”, FANAMBOARAN-DALANA…: Fanamby maro no hovitaina ao amin’ny Faritra Ambatosoa

Manatanteraka fidinana ifotony hitsidihana ny distrikan’i Mananara Avaratra sy Maroantsetra, Faritra Ambatosoa ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nanomboka omaly, ary mitohy anio. Ny distrikan’i Mananara Avaratra no nandehanany omaly, izay nitokanany ny “Parc solaire”, hisahana ny famatsiana herinaratra any an-toerana.

Hatramin’ny nitantanan’ny Filoha Andry Rajoelina ny firenena, fanindroany izao no nitsidika an’i Mananara Avaratra izy. Ny volana jona 2023 ny Filoha, dia efa tonga tao an-toerana ary nitokana fotodrafitrasa. Ivon’ity fitsidihan’ny Filoha Rajoelina omaly, ny fitokanana ny “Parc solaire”, izay avy amin’ny Fitondram-panjakana, atolotra ho an’ny orinasa Jirama.  1,5 MGW ny herinaratra vokarin’ity “parc solaire” ao Mananara Avaratra ity. Ny mampiavaka azy, ny fisiana “batterie de stockage” 741 KWH, ahafahana manangona herinaratra. Raha natao ny fanadihadiana, dia 1 MGW ny filan’ny mponina ao Mananara mandritra ny andro. Araka izany, misy ambi-bava ny herinaratra vokarin’ity “centrale solaire” ity. Araka ny fanazavan’i Jean-Baptiste Olivier, minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, dia ity “parc solaire” ity no amatsy herinaratra ao Mananara Avaratra amin’ny andro antoandro. Ary na dia 50% ny famokarany fotsiny aza, dia mahasahana izany filana mandritra ny andro antoandro izany.

Rehefa hariva kosa, dia ampiasaina ilay herinaratra nangonina anatin’ilay “batterie de stockage”. Miditra an-tsehatra ilay “centrale thermique” manohana izany, mba ho ampy ny herinaratra sitrahan’ny vahoaka mandra-maraina. Izay no maha “centrale hybride” azy, satria mifameno ilay famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny azo avy amin’ny “groupe” mandeha amin’ny solika. Ampiasaina anamafisana ny famokarana herinaratra koa ity “centrale thermique” ity rehefa ratsy ny andro. Fehiny, raha ny antoandro, dia azo antoka fa tsy hisy intsony ny fahatapahan-jiro ao Mananara Avaratra.

Fanamby ny fanamboaran-dalana…

Fanamby lehibe nataon’ny Filoha Rajoelina ho an’ny Faritra Ambatosoa, indrindra ny distrikan’i Mananara Avaratra koa ny fanamboaran-dalana. Nohamafisiny fa efa mandeha ny asa fanamboarana ny lalana Soanierana Ivongo – Vahibe. Ho tokanana amin’ny herintaona izany rah any tombantombana. Nohamafisiny  koa fa efa mandeha ny fanadihadiana amin’ny anohizana ny asa hatreo Mananara Avaratra. Notsindrian’ny Filoha fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa lehibe antsoina hoe “Route du Soleil”, izay atao ampifandray amin’ny ilany Atsinanan’i Madagasikara iray manontolo izany. Ny Faritra Atsinanana, izay tena mamokatra sy maro harena voa-janahary. Mahakasika ireo tetikasa fanorenana fotodrafitrasa ao Mananara Avaratra, dia ny Kianja Manarapenitra sy ny Hopitaly Manarapenitra, nanome toromarika hentitra ny Filoha, ny amin’ny tokony hanohizana sy hamitana izany. Ho an’ny Hopitaly Manarapenitra, voalaza fa nitsoaka ary tsy hita ny orinasa nanao izany, hany ka mihantona ny asa.

Ao amin’ny toerana antsoina hoe “camp pénal”, any amin’ny 5 km miala an’i Mananara Avaratra no misy ity parc solaire ity. Na izany nefa dia vahoaka analiny no tonga nanotrona ny Filoha sy ny delegasiona tarihiny, izay ahitana ny praiminisitra Ntsay Christian, mpikambana maro ao amin’ny governemanta, sy ireo parlemantera avy ao amin’ny Faritra. Anaporofoana ny lanjan’ny Faritra Ambatosoa  ho an’ny Fitondram-panjakana no antony nitondran’ny Filoha ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta maro ireo niara-dia aminy.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer