PolitikaSongadim-baovao

GOVERNEMANTA: Nesorina tamin’ny toerany ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro

Taorian’ilay raharaha Boeing 777-200 miisa dimy lasa any Iran, izay nahabe resaka tato anatin’ny andro maromaro izay, dia nisy ny Filankevitry ny Minisitra manokana notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nandritra izany no nanapahana fa esorina amin’ny toerany ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, andriamatoa Ramonjavelo Valery.

Noraisina omaly ny didim-panjakana laharana faha 2025-812 anovàna ny andininy sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana faha 2024-1612 tamin’ny 22 aogositra 2024 nanendrena ny mpikambana ao amin’ny Governemanta. Izany didim-panjakana izany dia manafoana ny fanendrena ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, andriamatoa Ramonjavelo Valery ary manendry an’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, hisahana vonjimaika ny andraikitry ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, mandrapahatongan’ny fanendrena vaovao.

Tamin’ny ankapobeny dia heverin’ny mpanara-baovao fa anatin’ny lojika tanteraka ity fanapahan-kevitra ity taorian’iny raharaha nahabe resaka iny. Ny Filoha Rajoelina rahateo izay mametraka ho zava-dehibe ny fangaraharana sy ny fahitsiana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana.  Maneho ihany koa izao fanapahan-kevitra izao fa tsy misy ambony lalàna eto amin’ny firenena, fa na inona na inona andraikitra dia mitovy avokoa. Na izany aza, ny fanesorana amin’ny toeran’ny Minisitra tahaka izao dia tsy voatery ho fanapahan-kevitra politika, fa fanao amina rafitra repoblikana toa an’i Madagasikara. Rehefa misy minisitra manohintohina ny mety ho tombontsoa ambonin’ny firenena tokoa, dia tokony ho miantsoroka izay mety ho vokany izy. Ho an’ny Filoha Rajoelina manokana dia mametraka ho lohalaharana hatrany ny tombontsoan’ny besinimaro na eo aza ny mety ho fifandraisana manokana amin’ny tomponandraikitra.

Raha hiverenana fohy moa dia ilay fiaramanidina Boeing 777-200 miisa dimy lasa any Iran, izay nitondra laharana avy aty Madagasikara voalaza fa hosoka, no niandohan’izao raharaha izao. Rehefa nandre izany ny Fanjakana malagasy dia nitory avy hatrany, ary efa nandeha moa ny fanadihadiana. Vokany, misy ireo olona efa voasambotra. Misy koa ilay Teratany indianina iray Malagasy iray izay namoahana filazana fikarohana mihitsy. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana…

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer