Songadim-baovaoSosialy
RAHARAHA AMBOHIMALAZA: Nidoboka eny Antanimora i Fenohasina sy ny reniny
Nivoaka ny didy taorian’ny fiakarana fampanoavana omaly fa naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora i Fenohasina, ilay tompom-pety, sy ny Reniny mandrapahatongan’ny fotoam-pitsarana azy ireo. Tafakatra dimy noho izany ireo efa naiditra am-ponja vonjimaika amin’ity raharaha ity.
Mbola raharaha mitana ny sain’ny mpanara-baovao ankehitriny ny mahakasika ilay tsingerintaona nahafatesan’olona hatramin’ny 32. Araka ny fantatra dia nitohy omaly ny famotorana lalina nataon’ny mpitsara mpanao famotorana an’i Fenohasina, ilay tompom-pety tamin’ilay fankalazana tsingerintaona, sy ny reniny. Taorian’ny fakana ambavany azy ireo dia nanapa-kevitra ny mpitsara mpanao famotorana ny hampiditra am-ponja vonjimaika ilay Renin’i Fenohasina, raha toa kosa ka fanarahamaso ara-pitsarana no azon’i Fenohasina. Nanao fanohanana an’io didy fanarahamaso ara-pitsarana an’i Fenohasina io ny teo anivon’ny Fampanoavana, izay nalefa teny amin’ny “Chambre de detention”. Nivoaka ny didy taorian’izay fa samy naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy mianaka miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.
Mbola mitohy moa ny famotorana aorian’izao ary mbola mandalina ny raharaha ny eny anivon’ny fitsarana ka rehefa feno sy vita izany dia ho atolotra ny fitsarana eo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava izy ireo. Fitsarana izay atao ampahibe-maso ary azon’ny rehetra atrehina.
Vantany vao nivoaka ity fampidirana am-ponja vonjimaika azy mianaka ity, dia nisy ny fanehoan-kevitra nentin-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy tao amin’ny Kaonty facebook-ny. Hoy indrindra izy: “Dia inona indray re izany izao no hoforonin’ny mpanohitra manaraka satria io ilay efa nolazaina hoe tsy maintsy hatao famotorana ange ilay tompom-pety rehefa hita fa ahafahana manao izany ny toe-pahasalamany e? Dia efa mazava izany izao fa tsy niaro mihitsy na iza na iza ny fanjakana tsy araka ilay nodradradradraina teto, ny mpitsara nanao ny famotorana aza izany saika hanao « contrôle judiciaire » azy no nanao « opposition » ny parquet mba hampidirina azy am-ponja vonjy maika. Inona moa fa dia rava indray izany aloha iny kajikajy iny, dia voatery hamorona zavatra hafa indray izao aloha mikasika an’io raharaha tsingerin-taona mainty io ny fanoherana raha mbola handrirotra eo ihany”.
Ny Fanoratana.



