PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA BOEING “777-200” ANY IRAN: Tsy nahalala ny zava-misy ny Filoha sy ny Praiminisitra
Nohamafisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, nandritra ny famindram-pitantanana niaraka tamin’ny Minisitra teo aloha Ramonjavelo Valéry , fa nisy hosoka sy fitaka tamin’ny raharaha fiaramanidina Boeing 777 mitondra laharana 5R. “Na ny filoha na izaho amin’ny maha-lehiben’ny governemanta ahy, dia tsy nampahafantarina velively ny zava-nisy marina tamin’ity raharaha ity,” hoy ny Praiminisitra. Fanambarana izay manamarina ny fisian’ny tambajotra mpanao hosoka sy mpamitaka, izay namadika ity raharaha ity ho toy ny tetikasa fampiasambola, kanefa fandrika goavana no tena natao.
Nambaran’ny Praiminisitra fa efa nangataka fiaraha-miasa amin’ny FBI, OACI ary Interpol ny fitondrana, ho famotorana sy fikarohana ireo tena atidoha sy mpandray anjara amin’ny hosoka. “Tsy maintsy avoaka mazava ny momba ity raharaha ity,” hoy izy, sady naneho fa tambajotra iraisam-pirenena matanjaka no miezaka manararaotra sy mampiasa an’i Madagasikara amin’ny tetika tsy ara-dalàna.
Mitohy ny vina
Ankoatra izay mitohy ny vina rehetra. Hojerena manokana ny asa-maika amin’ny maha- laharam-pahameana ny fitaterana. Tafiditra amin’izany ny momba ny fitantanana an’i Madagascar Airlines. Ao anatin’ny vina napetraky ny filoha koa ny fampitomboana ny mpizahantany hatramin’ny 1.000.000 hatramin’ny 2028. Manana anjara andraikitra lehibe amin’izany ny minisiteran’ny Fitaterana. Tsy adino ny fitaterana an-dalamby izay anisan’ny iankian’ny fitaterana solika. Eo koa ny fandraisana ny Fihaonamben’ny SADC.
Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Anosy, moa ny famindram-pitantanana arak’asa teo amin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, izay voatendry ho Minisitra misahana vonjimaika ny fitantanana ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, sy ny Ministra teo aloha, Andriamatoa Ramonjavelo Valéry. Taorian’izany, dia nisy ny fivoriana niarahan’ny Praiminisitra tamin’ireo tomponandraikitra ambony rehetra teo anivon’ny Minisitera. Nanomezany toromarika nandritra io fotoana io ny hijerena haingana ireo asa maika, sy ny hanamafisana ny fandraisana andraikitra mifanaraka amin’ny vina apetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, sy ny laharampahamehan’ny Firenena.
Ny Fanoratana.




