Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
RAHARAHA « BOEING 777- 200 » MIISA 5 LASA ANY IRAN: Voasambotra ireo olona 2 namoahana filazana fikarohana
Araka ny loharanom-baovao dia afak’omaly avokoa no voasambotra ireo olona roa nanaovana filazana fikarohana tamin’ilay raharaha “Boeing 777-200” miisa 5 lasa any Iran. Ny Polisy misahana ny heloka bevava no nanao ny fisamborana. Marihina fa efa ela no nitadiavana ireo olona roa ireo. Noho ny fanadihadiana lalina natao dia hita ny toerana nisy azy ireo, araky ny loharanom-baovao maripototra sy ny fahaiza-manaon’ny polisy. Noho izany dia nandefa olona tany Antsirabe ny polisy ka taminy 17h45 afak’omaly 30 jolay no tratra tao Antsirabe i Rija. Marihina fa niafina ireo olona ireo. Tsy tratra tao amin’ny trano fonenany ary efa novonoiny ny findainy, ary niafina izy ireo ka izay no nahatonga ilay famoahana filazana fikarohana.
Singh, ilay karana kosa dia afak’omaly tamin’ny 09ora alina no tratra rehefa nahazo loharanom-baovao maripototra ny mpanao famotorana, ka teny Faliarivo Ampitatafika no nahatrarana azy. Mitohy moa ny fanadihadiana hijerena ny anjara andraikitry ny rehetra tao anatin’izao raharaha izao. Tsy maintsy hampanantsoina ary hatao famotorana avokoa izay voatonona na voasaringotra amin’ity raharaha ity. Ny ACM sy ny Minisiteran’ny Fitaterana no nametraka fitoriana dia izay no niaingan’ny fanadihadiana ataon’ny “Brigade criminelle”. Tsiahivina fa efa nisy olona hafa voasambotra koa mikasika ity raharaha ity.
Vao voasambotra moa ireo olona roa ireo dia naneho ny hevitra avy hatrany ny Filohan’ny Repoblika. Izy izay nankasitraka an’ireo mpitandro filaminana eo anivon’ny Polisim-pirenena misahana ny heloka bevava, noho ny fahombiazan’izy ireo tamin’ny fisamborana ireo olona roa nokarohina, mikasika ny raharaha fampiasana hosoka tamin’ny laharan’ireo fiaramanidina dimy izay hita fa lasa tany Iran. Tsy azo ekena ny fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanalam-baraka an’i Madagasikara.
“Voaporofo tokoa izao fa rehefa miray hina sy miray fo ny rehetra ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana, dia tratra ny tanjona. Izaho dia manamafy hatrany ny finiavako hiady andro aman’alina ho an’ny Firenena, ary tsy hanaiky ny ataon’ireo izay mikasa hanala baraka na hanohintohina ny hasin’ny Firenena.”, hoy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.




