PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA « BOEING 777 » ANY IRAN : Lasibatry ny fanaparitahana vaovao diso indray ny zanaky ny Filoha
Nisy nanely indray tamin’ny faran’ny herinandro teo fa voasaringotra tamin’ilay raharaha “Boeing 777” lasa tsy ara-dalàna tany Iran ny zanaky ny Filohan’ny Repoblika. Nivoaka tamin’ny fahanginany niaro ireo zanany Ramatoa Mialy Rajoelina, ary namaky bantsilana fa misy minia mampiditra amin’ireo raharaha mafana eto amin’ny firenena hatrany ny zanany, izay melohiny.
Niparitaka ny vaovao ny faran’ny herinandro teo fa misy orinasan’ny zanaky ny Filoha Rajoelina izay mipetraka any Dubai tafiditra ao anatin’ny raharaha “Boeing 777”. Nambaran’io mpamoaka vaovao io fa nifandray nivantana tamin’ny Mahan Air io orinasa io. Ny Mahan Air izay kaompaniam-pitaterana any Iran. Diso tanteraka anefa izany, ary dia nivoaka tamin’ny fahanginany mihitsy Ramatoa Mialy Rajoelina, Vadin’ny Filoham-pirenena, niaro ireo zanany izay misy minia manonona amin’ny raharaha mafana eto amin’ny firenena.
Mametra-panontaniana ny vadin’ny Filoha hoe tsy maintsy enjehina sy ampidirina ao anatin’ny tranga miteraka resabe eto amin’ny firenena foana ireo zanany; izay zavatra tsy misy fantany akory ? Fanenjehana izay mifototra amin’ny fankahalana, hoy ny vadin’ny Filoha. Efa misy ireo olona voatonona ho tompon’antoka amin’ireny tranga ireny ka tokony hizaka ny vokatry ny ataony fa tsy ampisaringotra ny tsy manan-tsiny amin’izany.
Tsy sokajiana ho marina akory ny fanelezana tsaho ary tsy azo raisina ho porofo ny fankahalana be fahatany, hoy hatrany i Mialy Rajoelina.
Samy nanamafy io antso nataon’ny Vadin’ny Filoham-pirenena io avokoa moa ireo mpisehatra politika samihafa, indrindra ireo avy amin’ny fanohanana ny Fanjakana, toy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. Andriamatoa Ramonjavelo Valery koa aza, Minisitry ny Fitaterana izay nesorina noho ity raharaha ity, dia nilaza omaly fa tsy misy mahatafiditra ny Zanaky ny Filoha mihitsy ity resaka ity.
LR.



