PolitikaSongadim-baovao

DISADISA – FILOHAN’NY « SENAT » SY NY MPANAO GAZETY: Manolo-tena hanelanelana ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy raha ilaina

Manoloana ny fifanolanana misy eo amin’ny mpanao gazety sy ny Filohan’ny Antenimierandoholona dia nitondra ny fanehoan-keviny ny Loholon’i Madagasikara sady mpanao gazety no tompona haino vaky jery, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy. Ny tenany izay niantso fitoniana amin’ny andaniny sy ny ankilany, ka mba hampitsahatra aloha ny fanehoan-kevitra mety hiteraka fifampihantsiana na fifampiandaniana ka vao maika sanatria handraraka menaka eo ambony afo indray. Notsindriany tao anatin’ny fanehoan-keviny anefa fa marina tokoa ny voalazan’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona fa ny andininy faha-35 andalana faha-2 (article 35 alinéa 2) ao anatin’ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierandoholona dia milaza mazava fa « il ne peut être créé de commission d’enquête sur des faits ayant déjà donné lieu à des poursuites judiciaires et aussi longtemps que ces poursuites sont en cours, ainsi que sur des faits ayant déjà abouti à des décisions judiciaires passées en force de chose jugée ».

Ankoatra izay, notsindriany fa adidin’ny mpanao gazety ny mahalala izany karazana andinindininy izany mikasika ny teboka izay tiany hametrahana fanontaniana. Ny tsy fahalalana izany kosa anefa dia tsy tokony hampiteraka fifamaliana mihitsy, ilaina ny mifanaja mba tsy hampisy fifandirana eo amin’ny tompon’andraikitra hametrahana fanontaniana sy ny mpanao gazety mametraka ny fanontaniana. « Amin’ny maha-mpanao gazety dia mahatsapa tanteraka fa raha marary ny aty, voadona ny afero koa dia maneho firaisankina feno amin’ny mpanao gazety rehetra satria fotoana ilana izany indrindra izao, ary miantso antsika mba hanao tahaka ny anakandriamaso mandrakariva ny tandrohasina eo amin’ny asantsika masina loatra io », hoy ny fanambarany.

« Noho izay maha-mpanao gazety izay indrindra kanefa amin’ny maha-Loholona ihany koa dia heveriko ampanetren-tena fa tsara toerana aho hanolo-tanana hanao ny fanelanelanana eo amin’ny roa tonta raha ilaina mba hampiravina ny olana », araka ny nambarany. Ary notohizany hoe : « Ndao hampandeferina ny hambom-po, ny hisavorovoroan-kilantoana koa alao hery ary, vonona tanteraka ny tenako hamaly ny antso na avy amin’ny andaniny na avy amin’ny ankilany. Tsy tombontsoan’iza na iza mihitsy ny hitohizan’ny fihenjanan’ny tady koa manantena fa tsy ho antso an’efitra izao antso atao izao ».

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer