Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FAMITAHANA MPANAO “CASH POINT”: Tratra ilay rangahy nametraka vola sandoka 600 000 ariary

Maro ny mpamitaka amina toeram-panakalozam-bola amina finday na ireo mpanao “cash point” izany. Lehilahy iray no saron’ny Polisim-pirenena tao Ambilobe, noho ny famitahana tamin’ny alalana vola sandoka, raha iny izy hanao petra-bola amin’ny findainy iny. Rehefa vita ny fifanakalozana dia tsikaritr’ilay mpiasan’ny “cash point” fa vola sandoka avokoa ireo natakalon’ity lehilahy ity. Nampandre haingana ny manam-pahefana eo an-toerana ity mpivarotra ka fotoana vitsy toy izay dia tonga ny Polisy. Vola sandoka amina 20 000 Ariary miisa 30, izany hoe 600 000 ariary sandoka no nentin’io lehilahy io saika nisolokiany ilay mpanakalo vola amin’ny finday tao Ambilobe ity. Nosamborina avy hatrany io lehilahy io ary naterina nanaovana andrimaso sy fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny Kaomisarian’ny Polisy. Efa maro no mailo amin’ity resaka fanakalozam-bola maro izay mety tsy ahitana soritra ny vola sandoka ity. Tsy vitsy noho izany, no efa tratra sy mijinja ny asany.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer