PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHA « BOEING 777 » : “Efa eto Madagasikara ny FBI hanadihady”, hoy ny Praiminisitra

Nanamafy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, omaly nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety fa efa eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny FBI na ny “Federal Bureau of Investigation” avy any Etazonia, hijery akaiky ny raharaha momba ireo fiaramanidina Boeing 777.

Toy ireo raharaha mafana rehetra nandalo teto amin’ny firenena dia mahazo vahana indray ny fanaparitahana vaovao diso sy tsy mari-pototra manodidina an’ity resaka “Boeing 777” lasa any Iran ity. Omaly dia nitondra fanazavana momba io raharaha io ny Praiminisitra, izay nilazany fa efa tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny ekipan’ny FBI (Federal Bureau of Investigation) avy any Etazonia, hijery akaiky ny raharaha momba io tranga io. Araka ny fanazavany dia fangatahana avy amin’ny Fitondram-panjakana malagasy no nanosika ny fahatongavan’ity ekipa manampahaizana manokana ity eto. Nambarany fa ilaina ny fahazavana tanteraka amin’ity tranga mampiahiahy ity, ary tokony ho fantatra mazava izay rehetra voasaringotra ao anatin’izany. Mila fantarina daholo, hoy izy, izay ao anatin’ny tambazotra manao raharaha maloto toy ireny mba tsy hiverenan’ny tranga toy ireny intsony eto Madagasikara. Izany no ilàna mpanao fanadihadiana matihanina.

Tao anatin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly ihany no nanipihan’ny Praiminisitra fa tsy maintsy ho vita ny fivoriamben’ny SADC izay tontosaina eto Madagasikara, na eo aza ireo miezaka misompatra sy misakana izany amin’ny fomba rehetra. « Efa 45 taona nisiana ny Sadc ary sambany mandray izany i Madagasikara », hoy izy. Ny filoha Rajoelina rahateo no hitondra ny fitantanana hatramin’ny 2026.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer