Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
MAYOTTE: Tovovavy malagasy 19 taona maty nisy namono
Mbola misy hatrany ireo Malagasy misisika ny hifindra monina an-tsokosoko any Mayotte. Tamin’ny alakamisy lasa teo dia Malagasy miisa 13 indray no tra-tehaky ny zandary saika hiondrana an-tsokosoko tany an-toerana, tratra tany amin’ny fokontanin’i Mahamaniny, Kaominin’Antsakoamandro, Distrikan’Ambanja. Olona avy any Antsiranana, Ambilobe, Ambanja, Bealanana sy Daraina izy ireo. Nitoby tanaty trano iray, niandry fiaingana.
Noho izay fidirana an-tsokosoko any amin’ny firenen-kafa izay anefa dia mahazo vahana ny herisetra sy ny famarinana olombelona miantefa amin’ireo tera-tany malagasy. Tamin’ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady maraina lasa teo, ohatra, dia tovovavy malagasy iray vao 19 taona, antsoina hoe Armela Florent, no hita faty tany amin’ny toram-pasik’i Mliha Chanfi, any amin’ny faritra avaratr’i Mayotte. Voalaza fa nisy namono izy. Tamin’ny 9 ora alina izy no nivoaka ny toeram-ponenany ao Hamjago, rehefa namaly ny fanasan’ny namany izay natokisany. I Armela Florent izay avy Ambilobe, ary vao tsy ela izy no tonga tany Mayotte, araka ny fampitam-baovao. Nanao ny fizahana ny razana moa ny zandarimaria any an-toerana ary nitondra azy any amin’ny hopitaly hatao “autopsie”.
Mavesatra ho an’ireo fianakaviana ny fampodiana ny razana an-tanindrazana, any Ambilobe. Nangataka fanampiana ny amin’ny fanatanterahana izany, araka izany, izy ireo. Nisy ny fanokafana “cagnotte” ho fandraisan’anjaran’ireo rehetra te hitondra tohana ho an’ny fianakaviana.
S.S




