PolitikaSongadim-baovao

FANDRAISANA NY FIVORIAMBEN’NY « SADC » : Firaisankina no ilaina fa tsy fanoherana bontolo

Mahazo vahana tanteraka ny fanapariahana vaovao diso ankehitriny manodidina ireo raharaha mafana samihafa eto amin’ny firenena. Tanjona amin’izany, hoy ny Praiminisitra, dia ny hanakantsakanana ny fandraisantsika ny fivoriamben’ny SADC. Tsy maintsy ho vita anefa io, hoy hatrany izy, ary tokony ho reharehan’ny Malagasy rehetra izany.

Ny Depiote Ratsivahiny nitondra fanazavana.

Maro ireo mpisehatra politika maneho hevitra manoloana ny fandraisan’i Madagasikara ny fivoriamben’ny “SADC”, izay efa nanomboka ny 03 Aogositra teo, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 17 Aogositra izao. Anisan’ny nitondra fanehoan-kevitra mahakasika izany indrindra, omaly, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Ratsivahiny Andry. Nohamafisin’ity farany, fa voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisan’ny Filoha Rajoelina ny maha Filohan’ny SADC azy mandritra ny herin-taona (2025-2026), ary an-kilan’izany, tsy tokony hanaiky entin’ny rivotry ny fanoheran’ny sasany milaza fa tia tanindrazana manao sesitany ny tenany any ivelany ireo ny mpanohitra eto an-toerana izay mahita sy mahatsapa tsara ny zava-misy eto amin’ny firenena, izay milaza fa « ratsy toerana amin’ny fandraisana io fivoriam-be hatao eto io i Madagasikara, ary atao izay fomba rehetra entina hanakantsakanana izany sy hivoizana hevitra mety tsy hahatanteraka azy. Nohamafisiny, fa « tokony ho samy tonga saina ny rehetra eto an-tanindrazana satria tanindrazana iombonana ity, ka hiray hina fa tsy voninahitra ho an’ny Filoha sy ny Praiminisitra samirery izany fa ho an’ny vahoaka malagasy rehetra ».

Raharaha « Boeing 777 »

Eo anatrehan’ny toe-java-misy eto amin’ny firenena moa, dia naneho ny heviny ihany koa mahakasika ny raharaha « Boeing 777 », sy ny fampidirana ny zanaky ny Filoham-pirenena anatin’io raharaha io, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Ratsivahiny Andry. Nambarany fa tsy hiteniteny foana mikasika izany fahatongavan’ny mpanao fanadihadiana avy any Amerika « FBI » eto Madagasikara izany ny Praiminisitra. Efa diplômaty io tompon’andraikitra io talohan’ny naha Praiminisitra ny tenany, ka tsy hatoro voanjo hadiana mikasikana diplaomasian’ny firenena roa tonta, toy izao fahafahan’i Madagasikara miantso ny fanampian’ny FBI ny hikarohana ny marina mikasika io raharaha io. « Ny fitadiavana ny mangarahara ka hisehoan’ny marina tsy hisy afenina no anton’izany ka tsy tokony hahagaga na hasiana resabe indray », hoy ny fanampim-panazavany.   Ankoatr’izay dia nitondrany fanehoan-kevitra ihany koa ny mikasika ny fanenjehana ny zanaky ny Filohan’ny Repoblika anatin’io raharaha io. Nambarany, fa raha ny amin’ny maha Filoha Rajoelina na amin’ny maha Depiote Ratsivahiny ny tenany, dia tsy mitsoaka fanenjehana hatramin’izay ka hatramin’izao, fa raha ny zanaky ny mpanao politika tsy manan-tsiny no hamoronan-dainga sy henjehina anaty raharaha toy izao dia tsy azo ekena. « Ny olana eto amintsika dia mbola averiko ihany fa ireo olona any amin’ny an’alina kilaometatra ve no miteny sy maneho hevitra, izay mihevitra azy ho tsy azo henjehina, kanefa hevi-diso sy lainga foronina dia izany no hampikorontana eto ? ».

Stan R. sy LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer