Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
HALATRA FIARA: Hita teny Anosibe ilay fiara very teny amin’ny kianja Barea
Nitrangana halatra fiara teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny alahady 03 aogositra lasa teo, nandritra ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto Poopy tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina. Fianakaviana kely namonjy io fampisehoana io no tompon’ity fiarakely very teny an-toerana ity. Tokony ho tamin’ny 05 ora sy fahatelony no nametrahan’ny tompony azy tao amin’ny “parking” Barea Mahamasina, raha fantatra fa tsy antonona intsony tao amin’ny “Palais de sports”, dia tsy hita io fiara io ora iray latsaka kely teo, izany hoe tamin’ny 07 ora latsaka 10 minitra. Nandeha haka rano hosotroina no antondian’ny tompony tamin’izany, kinanjo toeram-piantsonana foana no hitany teo. Valaketraka tanteraka ity farany, ary nandeha faingana nanatona ny Zandarimaria Ankadilalana Mahamasina, nanao fitarainana. Noho ny fahakingan’ireo mpitandro filaminana anefa, dia fantatra, fa nivoaka toy ny fiara rehetra ihany ity fiara ity tamin’io fahaverezany io. Rehefa natao ny fikarohana dia hita teny Anosibe, teny amin’ny sisin’ny lakan-dranon’Andriantany, somary mitsofoka eo amin’ny fiantsonan’Imerintsiatosika. Tsy vitan’izay, fa efa nanomboka nanjavona tsikelikely ny kodiarana roa sy ny vatoaratra “batterie”, izany hoe efa nokasaina havadika “kotoleta” raha ny filazan’ny maro ankehitriny. Hatramin’ny omaly dia mbola mitohy ny fikarohana izay mety ho nahavita izao heloka izao, raha voalaza fa tsy nisy olona mbola noahiahiana mikasika ity raharaha ity. Na izany aza, manentana ny rehetra hatrany mba ho mailo fa ny ratsy tsy kely lalana. Nohamafisina tao anatin’izany, ny tokony hanamafisana ny hidin’ny fiara rehefa eny amin’ny “parking”, ny hidim-baravarana rehetra, raha tokony hametraka ny antsoina hoe “antivol”, ary ny tsy fametrahana karazan-javatra sarobidy anaty fiara rehefa hivoaka. Ilaina koa ny manao am-paosy lalandava ny tapakila eny amin’ny toeram-piantsonana tahak’izao, fa tsy azo ajanona anaty fiara (ticket de parking). Ho an’ny mpiambina ireny toerana ireny kosa, mila manamafy ny fanaraha-maso ny fiara miditra sy mivoaka, miampy ny fitakiana ny “ticket de parking” izay. Efa tafaverina soa aman-tsara tamin’ny tompony moa io fiara very nisy nangalatra io.
Stan R.




