PolitikaSongadim-baovao
FANDRAISANA NY FIHAONAMBEN’NY « SADC » : Miantso fitoniana politika ny Filohan’ny Antenimierampirenena
Efa nambara ombieny ombieny fa tombontsoa iombonana, ary voninahi-pirenena no arovana amin’ny fandraisana ny fihaonamben’ny SADC eto Madagasikara ka tokony haneho firaisankina ny tsirairay. Omaly, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Tokely Justin, raha tafaresaka taminay, dia niantso fitoniana politika mandritra izao vanim-potoana hahatongavan’ny vahiny eto amintsika izao.
Hita soritra anatin’ny fikarakarana tanterahin’ny Fitondram-panjakana ny fandraisana ny fihaonana an-tampony SADC amin’izao fotoana fa anaty fahavononana tanteraka i Madagasikara amin’ny fampiantranoana izany, amin’ny alalan’ny fandraisana ireo tompon’andraikitra ambony mandrafitra ny SADC. Nanao antso avo amin’ny vahoaka malagasy fa indrindra ireo mpisehatra politika, noho izany, ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, mba hampitsahatra ny disadisa sy adilahy politika, satria tsy mendrika ny firenena sy ny vahoaka malagasy eo anatrehan’izany voninahitra lehibe ananantsika izany ny mety ho endrika ankasomparana na fanalam-baraka, fa ny fiaraha-mientana sy ny fifanomezan-tanana amin’ny fikarakarana izany no tokony himasoana ankehitriny. Nohamafisin’ity Filohana Andrimpanjakana ity, fa iray isika malagasy ka tokony haneho hatrany ny firaisan-kina amin’ny fomba fandraisam-bahiny, izay soatoavina ananantsika sy nampiavaka antsika hatramin’ny ela. Tanjona ny tsy hampitsanga-menatra antsika sy hahatomombana izany an-tsakany sy andavany, mba ho lavitry ny ankasomparana sy ny fanalam-baraka.
Manoloana ny raharaha Boeing 777 izay miteraka resabe ankehitriny ny amin’ny fivoizana indray fa « misy tsy fahatokisana ny fitsarana malagasy eto », dia nomarihan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, fa lavitry ny tsy fahatokisana ny zava-misy izoran’ny fanapahan-kevitra raisin’ny Fitondram-panjakana. Eo ny maha firenena mahaleo tena an’i Madagasikara, ary izany dia maneho ny fahatokisana ny fitsarana malagasy. Saingy amina fanadihadiana manoloana toe-javatra manahirana tahak’itony, noho izy misy ifandraisany amin’ny iraisam-pirenena dia tsy maintsy misy fiaraha-miasa amin’ny firenen-kafa mba hahafahana mahita ny tena marina ao anatin’izany, noho ity raharaha ity maha tafiditra firenena maromaro.
Stan R.



