PolitikaSongadim-baovao

FAMPITOMBOANA NY FAMOKARANA: Hiara-hiasa amin’ny sehatry ny fambolena i Madagasikara sy Maorisy

Nanolotra ny taratasy manendry azy honina sy hiasa eto Madagasikara tamin’ny Filohan’ny Repoblika, omaly, ny Masoivoho vaovaon’ny Nosy Maorisy, Andriamatoa Bruno Cunniah. Efa an-taonany maro no nisy fifandraisana teo amin’ny firenena malagasy sy maorisiana amin’ny maha nosy mpirahavavy azy eo anivon’ny ranomasimbe indianina sy mpikambana eo anivon’ny COI. Noresahana mandritra izao fihaonana izao ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro anisan’izany ny sehatry ny fambolena sy ny fizahantany.

Voafetra ny famokarana

Hifototra amina sehatra maro ny fiarahamiasa vaovao hohatevenina eo amin’i Madagasikara sy Maorisy. Anisan’ny goavana indrindra amin’izany ny sehatry ny fambolena. Nambaran’ity Masoivoho vaovao ity tokoa mantsy, fa Nosy kely dia kely i Maorisy, raha mihoatra amin’i Madagasikara. Midika izany fa voafetra ihany ny tany azo amokarana, ary tsy ampy ny vokatra. Etsy ankilany anefa, mbola midadasika ny tany amokarana ho an’i Madagasikara. Azo atao tsara, araka izany, ny miara-miasa amin’ny famatsiana ny vokatry ny fambolena avy eto Madagasikara hamatsiana ny vahoaka maorisianina. Ka samy hahazo tombontsoa amin’izany avokoa na ny mpamokatra malagasy, na ireo vahoaka maorisianina hanjifa sy hividy izany vokatra izany.

Nasongadin’ny Masoivoho maorisianina koa fa manafatra sakafo avy any Argentine na Brésil izy reo, kanefa azo vokarina tsara avy eto Madagasikara ireo sakafo ireo. Ary anisany vinan’asa voalohany apetrany izany. Ankoatra izay, malaza amin’ny fahamaroan’ny mpizahatany i Maorisy, ka nizara ny traikefan’izy ireo tamin’izany ity Masoivoho vaovao ity.

Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer