Songadim-baovaoSosialy
SEKOLIM-PANJAKANA MANERANA NY NOSY : Mpianatra maherin’ny 1 tapitrisa hisitraka kahie
Hiditra amin’ny taom-pianarana vaovao indray ny seha-pampianarana amin’ny ambaratonga ambany eto Madagasikara afaka iray volana. Ao anatin’ny fanomanana tanteraka izany fidiran’ny mpianatra izany ireo Ray aman-dReny amin’izao fotoana. Miezaka ny mba hahavita hanangona ara-potoana ireo fitaovam-pianarana rehetra ilaina amin’izany kosa ireo Ray aman-dReny avy amin’ny fianakaviana marefo. Izy ireo izay misedra fahasarotana matetika amin’ny fampidirana an-tsekoly ny zanany.
Ho fitsinjovana azy ireo indrindra no nahatonga ny Fitondram-panjakana hanolo-tanana ao anatin’izany fampitaovana ny mpianatra izany, amin’izao fotoana fihomanana amin’ny fampidirana an-tsekoly ny mpinatra izao. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra notanterahana omaly ny fanjifana fitaovam-pianarana kahie, ho an’ireo sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy. Ireo kahie ireo dia natao hositrahana mpianatra maherin’ny 1 tapitrisa, ao amin’ny kilasy T1 hatramin’ny T5, amin’ny Faritra rehetra manerana ny Nosy.
Ankoatra io fampitaovana io, mbola nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ihany koa ny fampitana am-bava momba ireo masontsivana amin’ny fahazoana vatsim-pianarana sy fitantanana ny tahirim-bola ao anatin’ny fandaharanasa EAGER (East African Girls Empowerement and Resilience), izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena.
Nohazavaina tamin’izany fa tanjon’io fandaharanasa io ny hanamafisana ny fanabeazana, ny fizakan-tena ary ny fahafahan’ireo ankizivavy sy vehivavy miharin-doha. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo ankizivavy any amin’ny Faritra marefo. Anisan’ny masontsivana hahafahana misitraka ny vatsim-pianarana ny ny fianarana eo anivona CEG ao anatin’ireo Faritra 16 iasan’ny tetikasa, ao amin’ny kilasy T6, T7 na T8. Ho an’ireo namerina kilasy kosa dia tsy maintsy mandray anjara amin’ireo fanadinana isaky ny roa volana izy ireo, izay hamarinin’ny bileta misy naoty. Foana avy hatrany ny fisitrahana vatsim-pianarana ho an’ireo izay miala an-daharana sy irao tsy mandray anjara amin’ny fanadinana.
Fanamarinana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika moa ny hoe tsy maintsy arahina akaiky ny fizarana io vatsim-pianarana io, mba ireo tena mpisitraka marina no mandray izany. Tsy maintsy hisy ihany koa ny fanaovana fitsirihana tampoka ka hampanarahana ny haitao ara-kajy mirindra avokoa izany.
Sarobidy Sidonie.




