Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

TSINJOARIVO IMANGA « RN1 » : Manamboninahitra Polisy roa lavon’ny lozam-pifamoivoizana

Polisim-pirenena manamboninahitra roa lahy no lavo am-perinasa, omaly, nandritra ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao amin’ny Fokontany Ambohimarina, Tsinjoarivo Imanga, lalana manakaiky tetezana eo anelanelan’Ankadinondry Sakay sy Tsiroanomandidy. Ny « Commissaire de Police » Bienvenue Prosper, izay lehiben’ny Kaomisaria ao Tsiroanomandidy, sy ny « Inspecteur de Police » Rakotondramanana Mickael, no nodimandry tao anatin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Ilay « Inspecteur » no voalaza fa maty tsy tra-drano teo anatrehan’ny loza, raha taorian’ny ala nenina natao taminy tao amin’ny hopitalin’i Tsiroanomandidy ilay Kaomisera, vokatry ny ratra mafy nahazo azy. Efatra izy ireo no fantatra fa tao anatin’io fiara io, ka ankoatra ireo nodimandry dia mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Tsiroanomandidy ny mpamilin’io fiara io, izay voalaza fa olon-tsotra, raha nalefa niakatra hotsaboina haingana eto Antananarivo ny « Inspecteur de Police » iray naman’izy ireo. Avy nanao fitsidihana ny fananganana ny tobin’ny Polisy tao Ankadinondry Sakay, ary hiverina hihazo an’i Tsiroanomandidy ireto farany no izao niharan-doza izao. Tsy fantatra mazava hatreto ny antony nahatonga ny loza, fa raha ny fantatra, dia niala lalana ny fiara ary nidona mafy dia mafy tamina sisin-dalana. Fantatra, fa anisany sangany tamin’ireo mpianatra ho Polisim-pirenena tao amin’ny andiany indray mihira VINA ireo manam-boninahitra Polisy nodimandry ireto. Miara-ory amin’ny fianakavian’ny maty sy ny Polisim-pirenena ny eto anivon’ny vondron’ny “Free Communication”.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer