PolitikaSongadim-baovaoToekarena

“ENARA GALLERIA” ENY TSARASAOTRA : Ho vita tanteraka anio ny toerana handraisana ny « Bazar de la SADC »

Mihazakazaka ny asa fanamboarana ny “Enara Galleria”, na toerama fandraisana fampirantiana iraisam-pirenena, eny Ambodifasina Tsarasaotra Ivato , araka ny hita nandritra ny fitsidihana nataon’ny Delegasiona notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, teny an-toerana, ny sabotsy teo. Raha ny fanazavana nomen’Atoa Rakotonirina Andofety, tomponandraikitra avy amin’ny “Enara Group” manatanteraka ny asa, dia efa vita hatramin’ny 98%-n’ny asa rehetra, tamin’io sabotsy io. Ny pitsopitsony ao anatiny sy ny fanajariana ny tokontany ety ivelany sisa no tsy vita.

Ity fotodrafitrasa ity no handraisana ny “Bazar de la SADC” amin’ny 14 ka hatramin’ny 18 aogositra 2025. Anio 11 aogositra moa fara fahatarany no ho vita hatramin’ny farany ny asa rehetra, ka ho azon’ireo mpampiranty hametrahana ireo fitaovana rehetra amin’ny fanaovana ny fampirantiana. Raha tsy misy ny fiovana, dia amin’ny andro fanokafana ny fampirantiana ho hitokanan’ny Filoha Andry Rajoelina ny fotodrafitrasa.

Malalaka ny toerana

Raha hiverenana ny momba ity fotodrafitrasa ity, dia miorina amin’ny velaran-tany 5 200 m2. Manana tokontany malalaka eo amin’ny 4 200 m2, izay mahazaka fiara eo amin’ny 150. Tsy hijanona amin’ny fandraisana ity fivorian’ny SADC ity ny fanatsarana eny an-toerana fa mbola hisy ny fanitarana ny eo ivelany amin’ny velaran-tany 10 000 m2. Ny 9 000 m2 amin’io dia natokana ho an’ny mpampiranty sy ny mpitsidika ihany, ary ny 1 000 m2 ambiny ho an’ny toeram-piantsonan’ny fiara. Mbola hisy koa ny fanajariana toerana eo amin’ny 5 000 m2 hanaovana toeram-piantsonan’ny fiara ihany koa.

Nitondra famoronana asa teny amin’ny faritra manodidina ity tetikasa ity, satria nampiasa olona tsy latsaky ny 250. Nohafainganina rahateo ny fanatanterahana ny asa, satria raha valo volana no fepotoana ara-dalana tokony hananganana azy dia natao tao anatin’ny efatra volana monja noho ny fangatahan’ny fitondram-panjakana, ka tsy niato mihitsy ny asa, na andro, na alina, tao anatin’izay fetopotoana izay.

Anisan’ny tanora nahazo asa tao anatin’ity tetikasa ity i Mika, mipetraka ao Ambodifasina. “Topographe” no andraikitra nosahanina amin’ny fanaovana ny trano, tamboho, zaridaina, sns. Nanamafy ny tenany fa niteraka asa ho an’ny olona maro teo amin’ny manodidina ny fananganana ny fotodrafitrasa, ary nanamafy ny fisin’ny tombony amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony faha-45-n’ny SADC, na dia tsy misy fiantraikany mivantana amin’ny isam-batan’olona.

Tranoheva 300

Tsiahivina moa fa ny 14 ka hatramin’ny 18 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Bazar de la SADC » ao amin’ny « Enara Galleria » Tsarasaotra Ivato. Raha ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, dia miisa 300 ny tranoheva hanaovana ny fampirantiana. Efa nahatratra 250 ireo mpandray anjara nanao famandrihan-toerana, fa mbola misokatra amin’ireo mbola te handray anjara ny toerana, eny fa ny avy amin’ny faritra, raha ny nambarany hatrany.

Natao mirary tsy toy ny fahita amin’ireo foara iraisam-pirenena mahazatra ny fandraisana anjara, satria manomboka amin’ny 200 000 ka hatramin’ny 700 000 Ariary ny saram-pandraisana anajara ho an’ireo mpampiranty mandritra ny efatra andro. Maimaimpoana ihany koa ny saram-pidirana, ka mpitsidika manodidina ny 20 000 no andrasana ho avy. Nanao antso ho an’ny mpanjifa Malagasy ity Minisitra ity mba ho avy hanjifa ny vokatra Malagasy sy mba hoentina mifaly amin’ny fandraisana ireo vahiny. Amin’io fotoana io rahateo no hanehoana ireo vokatra tena mampiavaka ny eto Madagasikara, hoy ny Minisitra toy ny “chocolat”, ny “caviar”, ny raoma, ny episy, sns.

Vokatra tsara ara-toekarena

Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fandraisana ny fivorian’ny SADC sy ny fitarihan’i Madagasikara ny SADC ny Minisitry ny fizahantany sy ny asa tanana. Amin’ny ankapobeny, dia mitondra vokatra tsara ho an’ny toekarena. Raha ny fanazany dia manodidina ny 400 ireo fivoriana hotanterahina eto Madagasikara mandritra ny herintaona hitondran’ny Filoha Andry Rajoelina ny fitantanana ny SADC. Ireo vahiny tonga eto hoy izy dia mameno trano fandraisam-bahiny, manjifa vokatra Malagasy toy ny asa tanana, mampiasa fiara, sns.

Ankoatra izay dia mitondra ny lazan’i Madagasikara any ampita ireo delegasiônina hivezivezy eto, ka mety hitondra ny vady aman-janany hanao fialan-tsasatra aty amin’ny fotoana manaraka, na koa mety hanao fandraharahana eto mihitsy, sns. Anisan’ny vaovao tsara nifampizaran’ity Minisitra ity ny fitomboan’ny fiaramanidina manao fitaterana mampifandray an’i Madagasikara tao anatin’ny fandraisana ity fivoriana ity. Mety hioharana hoy izy ny tarehimarika 400 000 amin’ny fahatongavan’ny mpizaha tany eto amintsika amin’ity taona ity noho ny fisian’ny karazam-pivoriana iraisam-pirenena raisina eto hatramin’ny faran’ny taona.

“Village artisanal”

Ny momba ny “village artisanal » eny Ivato kosa, dia efa mananika ny 80 isanjato ny fahavitan’ny asa. Misy “box” miisa 240, ary natokana hampiroboroboana ny asa tanana malagasy sy ny toekarena malagasy. Raha ny fanamafisana nataon’ity Minisitra ity dia mety alohan’ny faran’ny taona no hitokanana ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Efa mandeha koa ny antso tolo-bidy ho an’ireo mpandraharaha mpanao asa tanana maniry haka toeram-pivarotana ao anatiny. Ao amin’ny pejin’ny minisitera no misy ny andinindinim-baovao rehetra, na koa afaka manantona mivantana eny amin’ny “Direction Générale de l’artisanat” ireo liana amin’izany.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer