Songadim-baovaoToekarena

FARITRA AROVANA MENABE ANTIMENA: Nahitana firehetana, 4 andro vao voafehy ny afo

Manomboka mirongatra indray ankehitriny ny fahamaizana mahazo ireo tanety sy ala satria ao anatin’ny vanim-potoan’ny main-tany isika. Andro anisan’ny nahitana tebok’afo betsaka indrindra manerana ny Nosy ny tamin’ny alarobia lasa teo. Tebok’afo miisa 1 738 no hitan’ny zanabola, raha ny tatitra navoakan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy. Nahitana tranga betsaka ny tany amin’ny ilany Andrefan’ny Nosy, ankoatra ireo tranga tamina faritra hafa, ary mahakasika Faritra Arovana mihitsy ny firehetana. Mbola nohamafisin’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy Max Andoniriana Fontaine io fahamaroana trangana firehetana io, nandritra ny resaka nifanaovana taminy tamin’ny herinandro lasa teo. Nambarany fa ahitana tranga matetika ny any amin’ny Faritra Menabe.

Voaporofo tokoa izany nandritra ny fandalovana tany an-toerana. Nampahafantatra ny Ministera fa nisy afo nirehatra tao anatin’ny Faritra Arovana Menabe Antimena tamin’ny alatsinainy 04 aogositra 2025. Ny faritra atsinanan’ny Faritra Arovana, izany hoe ny tao Anketrevo, Mandroatra, Tsaraotana ary Kibo no voakasiky ny afo. 4 andro taty aoriana, tamin’ny 07 aogositra lasa teo, vao nanomboka voafehy ny afo. Sarotra ny fifehezana izany, hoy ny fanazavana, noho ny tsy fisian’ny lalana ahafahana mamonjy ny toerana misy ny firehetana sy ny fahalaviran’ny toerana misy ny rano. Miara-mientana sy mifanome tanana amin’ny famonoana ny afo ireo fokonolona any an-toerana, ireo sampan-draharaham-panjakana, ary ireo mpiara-miombona antoka ao Menabe. Nomarihin’ny Ministera fa “tsy nahitana firehetana tao amin’ny faritra arovana Allée des Baobabs”, araka ny vaovao sasany mihely eny amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky.

Manoloana izao tranga izao moa dia nambaran’ny tompon’andraikitra fa ady iombonana ny ady amin’ny afo. Manentana ny rehetra, araka izany izy ireo, mba samy hitandrina amin’ny fampiasana afo amin’izao fotoana main-tany izao, hisorohana ny loza mety haterak’izany. Nohazavain’ny Minisitra tamin’ny herinandro lasa teo fa tsy tonga ho azy, matetika avy amin’ny olombelona ny loharano fiavian’ny afo izay mahakasika ireo Faritra Arovana. Mihatra avy hatrany ny Fihezan-dalàna mifehy ny Faritra Arovana ho an’ireo izay tratra mandoro ao anatin’izany faritra izany. Fampidirana am-ponja hatramin’ny 2 taona no sazy mety hihatra aminy.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer