Songadim-baovao
DISTRIKAN’ISANDRA : Hofongorina hatramin’ny farany ny asan-dahalo
Faritra isan’ireo nafana tamin’ny asan-dahalo ny tany amin’ny distrikan’Isandra teo aloha. Nisy ny ezaka amin’ny fampandriana fahalemana tany an-toerana niarahana tamin’ny fokonolona eny ifotony. Nomena fanamiana mitovy miisa ireo Polisim-bohitra tao amin’ny Kaominina Mahazoarivo sy Ambalamidera faharoa afakomaly, hanatevenana ny fampandriana fahalemana eny ifotony…

« Tsapa fa vonona ny hampanjaka ny fandriampahalemana ny vahoaka eto amin’ny Kaominina Mahazoarivo sy Ambalamidera II, anatin’ny distrikan’Isandra. Fankasitrahana, noho izany, ny ezaka goavana vitanareo. Tsapa ankehitriny fa anisan’ny Kaominina môdely ireto Kaominina ireto amin’ny fandriampahalemana. Ho fongorina hatramin’ny farany ny tsy fandriampahalemana mba hahafahan’ireo Kaominina roa ireo miatrika ny fampandrosoana », hoy ny Jeneraly Kaomandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Fianarantsoa, ny Jly Tsiketa Dieu Donné Bernard, afakomaly tany an-toerana. Nanentana koa izy ny hilazana amin’ireo Zandary izay miasa any an-toerana raha mbola misy ny olona izay mihevitra ny hanohy ny asa ratsiny. Nisy ny fanolorana fanamiana mitovy miisa 150 ho an’ireo zatovolahy vao vita fiofanana ho « Kartie Mobily » ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Mahazoarivo sy Ambalamidera faharoa, avy amin’ny Kly Miandrisoa Olivier, Kaomandin’ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena ao Ambositra.Tanjona amin’izany ny fampandraisana anjara ireo tanora amin’ny lafiny fandriampahalemana, hifanampy amin’ireo mpitandro filaminana izay efa miasa any an-toerana.

Nankasitraka ny ezaka vita…
Nanambara hatrany ny Kly Miandrisoa Olivie fa « voafidy manokana ireto Kaominina roa ireto noho ny ezaka lehibe izay vitan’izy ireo amin’ny fandriampahalemana ». Nanambara izy fa efa tokony hialana ny fomba ratsy ary nanentana ireo ray aman-dreny rehetra, mba samy hananatra ny zanany. Ho setrin’izany, nitondra teny fisaorana Rtoa Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Isandra, ka
nankasitraka ny Fitondram-panjakana foibe sy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena noho ny ezaka natao tamin’ny fahazoana ny fandriampahalemana sy ny hametrahana ny Biraon’ny Tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana, indrindra ny fanolorana fanamiana mitovy ho an’ireo Polisim-bohitra.

Tsiahivina fa nanatontosa fitsidihana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazoarivo Distrikan’Isandra ny Jly Kaomandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Fianarantsoa, ny Kly Kaomandin’ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena Ambositra sy ny Kly Kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena Matsiatra Ambony ary ny Kapiteny Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Fianarantsoa niaraka tamin’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ity distrika ity, ny afakomaly lasa teo. Efa manomboka ny fanajariana ny toerana hanorenana ny Biraon’ny Tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Mahazoarivo. Toa izany koa ny toerana izay hametrahana ny Toby Miaramila ao amin’ny Kaominina Ambalamidera II ary maro ireo tanora no vonona ka nanatevin-daharana ny Kartie Mobily.




