Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANALAM-BARAKA AMIN’NY “FACEBOOK” : Naiditra am-ponja vonjimaika ny Ben’ny Tanànan’i Ranotsara Avaratra

Taorian’ny fiakaran’ny Ben’ny Tanànan’i Ranotsara Avaratra ny fampanoavana, ny zoma hariva lasa teo, dia naiditra am-ponja vonjimaika izy, noho ny resaka fanalam-baraka tamin’ny tambajotran-tserasera ara-tsosialy “Facebook”. Araka ny angom-baovao, ny 12 jolay 2025, tokony ho tamin’ny 8 ora alina, dia nisy ranty  tao  amin’ny pejy “Facebook”-n’ny Ben’ny Tanànan’i Ranotsara Avaratra, milaza fa tao Bevoandelaka, Fokontany Bekatra, kaominina Ranotsara Avaratra, Distrikan’i Iakora, dia nisy fiara tsy mataho-dalana miisa roa, sy fiara fitateram-bahoaka eo Ranotsara miisa iray,   nitondra  vato « Corindon » amin’ny gony maromaro  avy any Ranotsara handeha hiakatra any Ihosy. Nilaza ny Ben’ny Tanàna, fa tsy manana taratasy ara-dalàna sy tsy nandoa tamberim-bidy ireo vato sarobidy ireo. Mikasika ny « barrière économique » dia tsy nampahafantatra ny fisian’io tany amin’ny sefo distrika sy ny governora ny ben’ny Tanànan’i Ranotsara Avaratra, raha ny fanadihadiana. Ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Iakora no toerana misy ny fitrandrahana ao Betsipoy fa tsy Ranotsara Avaratra. Nomarihina fa manana taratasy ara-dalàna ny fitrandrahana ao Betsipoy, izay voamarina teo  anatrehan’ny Tale iraisan’ny Faritra momba ny harena an-kibon’ny tany ao Fianarantsoa sy Ihorombe izany.

Nametraka fitoriana tany amin’ny Tonia ao Ihosy ny solombavambahoakan’ Iakora ary namoaka “soit-transmis” ka ny Sampana fikarohana heloka bevava ao Fianarantsoa no misahana ny fanadihadiana. Ny zoma tolakandro teo no niakatra fampanaovana ilay voarohirohy, rehefa avy nanaovan’ny Sampana fikarohana heloka bevava, Fianarantsoa fanadihadiana.  Vokany, naiditra am-ponja vonjimaika ny ben’ny Tanànan’i Ranotsara Avaratra. Taorian’izay, nisy ny fivorian’ny OMC/REG mivelatra, ny androtr’io, tamin’ny 9 ora maraina ary fantatra fa tsy nisy ny fifanatonana tamin’ny solombavambahoakan’Iakora sy ny ben’ny Tanànan’I Ranotsara Avaratra, fa mpanelanelana no nitondra resaka fampihavanana tany amin’ny solombavambahoaka. Navela malalaka hanao ny asany rahateo ny teo anivon’ny Fitsarana, ka antony nahatonga izao fampidirana am-ponja ny olom-boafidy tao amin’ny Kaominina Ranotsara Avaratra izao.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer