Songadim-baovaoToekarena

IVATO – ANDRANOTAPAHINA: Misokatra ho an’ny rehetra ny lalana “voie rapide” mirefy 4km

Hamaha olana betsaka amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana any amin’ny manodidina ny seranam-piaramanidina Ivato ny fisokafan’ny lalana “Voie Rapide” mampitohy ny “Rond-Point” Don Bosco sy ny “Rond-Point” Andranotapahina. Izany hoe, mifandray mivantana amin’ny lalam-pirenena fahefatra ity lalana ity, ary afaka mitohy avy hatrany koa amin’ny “Route de la francophonie”, hatreny Andohatapenaka.

Tratra ny fanamby! Efa azon’ny besinimaro ampiasaina nanomboka omaly ny ampahan-dalana 4km amin’ny “Voie Rapide” Ivato, manomboka eo amin’ny “rond-point” Don Bosco Ivato ka hatreny amin’ny “rond-point” Andranotapahana. Mifandray avy hatrany amin’ny  Rn4 sy ny “Route de la Francophonie”  Ambohitrimanjaka, mitohy hatreny Andohatapenaka, io lalana io. Lalana malalaka manana sakany 12 metatra: arabe ho an’ ny fiara ny 7 metatra, ary misy lalana manokana ho an’ny mpandeha an-tongotra koa amin’ ny sisiny.

Notanterahana omaly moa ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy io ampahan-dalana io. “Dingana iray lehibe amin’ny fanatsarana ny fifamoivoizana izao fisokafana izao, hahafahana manamaivana ny fitohanan’ny fiara, indrindra amin’ny fotoana fidirana sy fivoahana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato”, hoy ny nambaran’ny Minisitry ny Asa Vaventy Rafidison Richard Théodore. Ny fiaraha-miasan’ny Governemanta Malagasy sy ny Eximbank Chine no nahafahana nametraka ny fotodrafitrasa. Ny orinasa CRBC kosa no  nanatanteraka ny asa fanorenana. Ho mariky ny fiaraha-miasa maharitra sy ny fanohanana mitohy amin’ny sehatra fotodrafitr’asa dia nanotrona io fotoana omaly io ihany koa ny Masoivohon’i Chine eto Madagasikara, Sem Ji PING.

 S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer