Songadim-baovaoToekarena

JONO TSY MANARA-DALANA: Niampy ny fitaovana hanamafisana ny fanaraha-maso

Manodidina ny 4,56 tapitrisa eo ny isan’ireo sambo mivezivezy manerana an’izao tontolo izao. Midika izany fa mila fanaraha-maso entitra, miaraka amin’ny fananana ivontoerana fanaraha-maso arifomba, ny fandrindrana ireo fitaovam-pitaterana an-dranomasina ireo. Mbola mipetraka ho olana iraisan’ny firenen-drehetra maneran-tany hatrany anefa ankehitriny ny ady amin’ireo jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara sy tsy voafehin-dalàna (Pêche INN). Raha ny antontanisa nivoaka teo anelanelan’ny taona 2016 hatramin’ny 2018 dia maherin’ny 24 miliara dolara isan-taona ny tetibidin’ny fahavoazana maneran-tany naterak’ireo jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara sy tsy voafehin-dalàna niseho tany an-dranomasina sy ny naterak’ireo fandikan-dalàna rehetra mifandraika amin’izany. Ho an’i Afrika Subsaharienne kosa dia 1,2 miliara dolara isan-taona ny fatiantoka, 500 tapitrisa hatramin’ny 800 tapitrisa isan-taona ho an’ny aty amin’ny faritry ny SADC, ary fahavoazana hatramin’ny 16 tapitrisa dolara isan-taona ho an’i Madagasikara.

Ampy fitaovana hiatrehana fanamby

Tsy vitan’ny firenena iray samy irery fa tanterahana ao anatin’ny fiaraha-mientana hatrany ny ady amin’ireo jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara sy tsy voafehin-dalàna. Vokatr’izay fiaraha-mientana tamin’ireo mpiara-miombona antoka izay dia efa tafakatra 25 ankehitriny ireo sambo mpanara-maso ny fari-dranomasina hananan’i Madagasikara raha toa ka miisa 2 monja izany tamin’ny taona 2016. Nitombo avo roa heny ihany koa ny isan’ireo “inspecteur de pêche” izay miisa 40 izy ireo no manao izany asa izany amin’izao fotoana. Raha toa ka olana ny fitadiavana tetibola entina hividianana solika ho fampandehanana ireo sambo mpanara-maso tany aloha dia efa voavahana izany ankehitriny. Misy ny fametrahana tetibola 1 miliara Ariary isan-taona natokana ho an’izany fividianana solika izany.
Miampy indray moa amin’izao fotoana ireo fampitaovana entina manamafy ny ady amin’ny “pêche INN” ireo. Ao anatin’ny fanatanterahana ilay tetikasa ECOFISH izay eo ambany fiahian’ny Vondron’ny Ranomasimbe Indianinana (COI) ary vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola, dia nisy ny fanolorana fitaovana ny Ivontoerana Fanaraha-maso ny Jono (CSP) izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Fitaovana vaovao toy ny angovo azo havaozina avy amin’ny herin’ny masoandro izay manana tanjaka 12 000Watt no natolotra ny ivontoerana. Hamatsy fitaovana toy ny “serveur” sy solosaina maro izany, izay ilàna herinaratra tsy tapaka hahafahana manangona tsara sy feno ireo antontan-kevitra ary ireo antontanisa amin’ny fotoana rehetra. Anisan’ny natolotra ihany koa ny fitaovan-tserasera samihafa hapetraka eny ambonin’ilay sambo antsoina hoe “Telonify”. Sambo izay misahana ny asa fisafoana an-dranomasina ka hahafahana mifandray mivantana eo no eo ny fampiasana ireo fitaovana vaovao. Omaly no notanterahana teny Ampandrianomby ny lanonana fanolorana sy fandraisana ireo fitaovana avo lenta ireo. Nanolotra izany ho an’ny Ministeran’ny Jono tamin’ny alalan’ny Minisitra Mahatante Tsimanaoraty Paubert ny Sekretera Jeneralin’ny COI Edgar Razafindravahy. “Am-panetren-tena no ilazana fa i Madagasikara ankehitriny dia iray amin’ireo firenena eto Afrika izay tena manana ny hoenti-manana rehetra hahafahana miady amin’izany “pêche INN” izany”, hoy ny Minisitra rehefa nandray ireto fitaovana fanampiny ireto.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer