Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN 11A: Ankizy efa-taona nofaohin’ny 4×4, maty tsy tra-drano
Zazalahy iray vao efa-taona monja no voadonan’ny fiara 4×4 avy any Vatomandry hihazo an’Antsampanana, teo amin’ny lalam-pirenena faha-11A PK 03, toerana antsoina hoe Morafeno, fokontany Ampitabe, kaominina Antsampanana, distrikan’i Brickaville, ny afakomaly lasa teo, tokony ho tamin’ny 6 ora latsaka. Araka ny angom-baovao, dia ilay fiara nandona no nitondra ilay zaza tratry ny lozam-piarakodia tany amin’ny hopitaly Ampitabe, mba hanome fitsaboana vonjimaika kinanjo, dia tsy avotra intsony ny ainy, raha tonga tao amin’io hopitaly io. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary moa, dia efa tsy tratra teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza intsony ilay niharam-boina, raha nikasa hanao fitsirihana momba ity tranga ity. Taorian’ny fialana nenina teny amin’ny Hopitaly moa, dia nomena an’ireo fianakaviany ny razana rehefa vita ny fizahana nataon’ny dokotera. Nogiazana ao amin’ny zana-tobim-paritra Antsampanana ilay fiara ary natao andrimaso ilay mpamily mandra-piandry ny famotorana. Noho ny fiara efa nihetsika sy ny andro efa maizina dia nahemotra, araka izany, ny famerenana ny fitsirihana ifotony sy ny fakana pitsopitsony momba an’io lozam-pifamoivoizana. Araka ny angom-baovao hatrany, dia fiarana minisiteran’ny Asa vaventy ity namoa-doza ity. Ny zana-tobim-paritra Antsampanana no misahana ny raharaha. Milamina hatreto ny filaminam-bahoaka.
Matetika mitera-doza ny fandehanana mafy. Manampy izay koa, ny tsirambina ataon’ny mpamily. Ny lalàna dia milaza fa tomponandraikitra tanteraka ny mpamily amin’ny fiara entiny. Mila avahana tsara ny andraikitry ny fiara izay tsy nisy fitsirihina teknika sy ny andraikitry ny mpamily izay nisetrasetra, izay indraindray tafaraka ireo. Fositra lehibe mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fanaovana zavatra mihoatra ny tokony hatao, dia mitera-doza, izay miteraka fandikan-dalàna. Tokony hahasahy hitoroka ny vahoaka manoloana ny fihoaram-pefy tanterahin’ireo mpamily, raha taksiborosy no manao ny fandikan-dalàna. Azo atao koa ny miantso zandary, ka azo antsoina na andefasana fitarainana momba ireo tsy fanarahan-dalàna miseholany tanterahin’ireo mpamily. Ny fandraisana andraikitra dia mahasoroka ny loza. Manana adidy ny rehetra momba ny fandriampahalemana eny amin’ny lalam-pirenena.
Pierre M.



