Songadim-baovaoSosialy

FANDRODANANA TRANO TAO TOAMASINA II: Itadiavam-bahaolana am-pilaminana, hisian’ny fitoniana

Nisehoana fandrodanana trano tao Ambodisaina, Toamasina II, izay nahatratra hatrany amin’ny 241 tafo mahery, nahitana moske. Nisy ny fanomezan’ireo Mpino silamo 72 ora hitadiavana vahaolana momba ity raharaha ity. Tsy niandry ela fa nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra isan-tokony, manoloana ity trangana olana momba ny fananantany ity. Taorian’ny fivorian’ireo tomponandraikitra mahefa rehetra, izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisitra mpiahy ny Faritra Atsinanana dia nanatanteraka fivoriana omaly, ny OMC ao Toamasina. Tonga nanatrika ny fivoriana, izay notarihin’ny Governoran’ny Faritra Atsinanana sy Lehiben’ny Fileovana Toamasina,  Besoa Eric, ny Loholona mpiahy ny Faritra avaratr’i Madagasikara, ny  solombavambahoakan’ny distrikan’i Toamasina II, ny tomponandraikitry ny Fitsarana ao Toamasina, ny Mpikambana EMMO/FAR sy ny mpitarika ny EMMO/REG Atsinanana. Eo koa ny Talen’ny Fitaleavam-paritra fandraharahana ny lafitany, ny Ben’ny tanànan’Amboditandroroho, ny Lefitry ny Ben’ny tanànan’i Toamasina I sady mpitondra tenin’ireo mpino silamo. Teo koa Ireo solontenan’ny mpino silamo avy ao Toamasina. Nandritra ny fivoriana sy ady hevitra niseho, dia samy niaiky daholo ny rehetra fa hitady vahaolana am-pilaminana, mba hisian’ny fitoniana sy tsy hisian’ny fihantsiana intsony. Hifanatona sy hifampiresaka ireo rehetra tafiditra amin’ity raharaha ity.

Hifanaraka amin’ny toromarika nomen’ny Filoha

Taorian’izay dia niaraka nijery ifotony ilay toerana nanaovana fandravana moske sy trano ireo tomponandraikitra isan-tokony voakasika amin’ny fandraisana andraikitra. Tsy nahitana olona mitangorona intsony teo an-toerana,  fa ireo  nitaona hazo no sisa tazana tao. Niato aloha, araka izany,  ny asa natao tao an-toerana. Nisy fanaovana tafa fohy tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tomponandraikitra rehetra niaraka tamin’ireo mpino silamo, nifanome toky fa handamina ity raharaha ity, izay mifanaraka amin’ireo toromarika nomen’ny Filoham-pirenena. Tiana ny manamarika fa nitrangana fandrodanana trano marobe tao amin’ny distrikan’i Toamasina II, ny 28 jolay lasa teo. Raha ny fanazavan’ireo tany an-toerana, dia fokontany mihitsy no narodana fa tsy ampahana trano, ka nahatonga izao fisavorovoroana izao tany amin’ny faritra Atsinanana iny.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer