Songadim-baovaoSosialy

FANAKORONTANANA NY FANADINANA BAKALOREA: Misy milaza fa mivarotra “mention” eny amin’ny fesiboky

Tsy nijanona tamin’ny andron’ny fanadinana ihany fa mbola mitohy hatramin’izao fotoana hiandrasana ny valim-panadinana izao ny fanakorontanana ataona andian’olona mahakasika ny fanadinana bakalorea 2025. Fantatra ankehitriny fa misy olona mitonona ho mivarotra “mention” indray ao amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky. Izany hoe milaza fa mahavita manova ny voka-panadinan’ny mpiadina iray ireo olona ireo, ka sandaina 200 000Ar ny “mention Assez-Bien” ho an’ireo izay te hahazo izany, 1 000 000Ar ny “mention Bien”, ary 2 000 000 ny “mention Très-Bien”.
Naneho ny heviny mahakasika io tranga io omaly ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES). Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony Dr Behaja Alan Basile fa “fanakorontanana izany… Tsy azo ekena ny fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea satria ny hoavin’ny firenena mihitsy no zohiana ao anatin’io fanadinana io”. Tsy mitombona, araka izany, ary fanakorontanana iniana atao fotsiny ireo resaka manodidina ny fivarotana naoty sy “mention” amin’ny bakalorea ireo satria voahara-maso avokoa ny fihetsik’ireo tompon’andraikitra rehetra amin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana sy ny fandraketana ny naoty anaty solosaina. Ireo “caméra de surveillance” rehetra nampiasaina tamin’ny androm-panadinana mantsy dia mbola manohy ny asany eny amin’ireo foibe fitsarana fanadinana ankehitriny. Noho izany, miantso ireo mpiadina sy ny Ray aman-dReniny mba hiandry am-pitoniana ny fivoahan’ny voka-panadinana ireo tompon’andraikitra ka tsy hanaiky ho voarebirebin’ireo mpanakorontana. Tsy maintsy hisy moa ny fepetra hentitra raisina manoloana izao tranga izao. Miara-miasa hatrany amin’ireo mpitandro filaminana ny MESUPRES ka ireo kaonty rehetra milaza fa mivarotra naoty sy “mention” dia efa nampitaina any amin’ireo manam-pahefana avokoa.
Ankoatra io, rehefa natao ny tombana nandritra ny fanatanterahana iny fanadinana bakalorea 2025 iny dia manodidina ny 50 eo ireo olona voasambotra mahakasika ny fisolokiana tamin’ny fivarotana laza adina sy fanaovana hosoka tany amin’ny hefitranom-panadinana. Nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa ny ankamaroan’izy ireo, ary misy ny napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.

Hahafahana misoroka io fanararaotan’ny mpanao ratsy io, araka izany, ny famoahana farak’izay aingana araka izay tratra ny valim-panadinana. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa hisy faritra efa hamoaka izay valim-panadinana bakalorea 2025 izay amin’ity herinandro ity. Misy kosa anefa ny fahasamihafana isam-paritra, toy ny tsy fitoviana amin’ny fahabetsahan’ny isan’ny mpiadina, ka hivoaka miandala eo ihany ny valim-panadinana ho an’ireo faritra sasany.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer