Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

SOKATRA MIISA 1 102 EFA VITA KITOZA : Olona iray voasambotra tany Tsihombe-Androy, 14 hafa mbola karohana

Nanaitra ny maro ny fampitam-baovao vao maraina omaly avy amin’ny Miniseran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Nampahafantarin’izy ireo fa sokatra miisa 1 102 efa vita kitoza, izany hoe efa novonoina, sy sokatra velona miisa 20 hafa no tra-tehakin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Androy amin’ny alalan’ny CEF Tsihombe, sy ny ekipan’ny TSA (Turtle Survival Alliance), tamin’ny 05 aogositra lasa teo. Tany amin’ny Fokontany Ambonaivo, Kaominina Behazomanga, Distrikan’i Tsihombe- Faritra Androy no nitrangan’izany. Loharanom-baovao nomen’olon-tsotra no nahafahana nahazo io vokatra io. Araka izany dia olona iray niaraka tamin’ireo sokatra no voasambotra. Namany miisa 14 hafa no tafaporitsaka ka mbola karohana izy ireo ankehitriny. Porofo izao fa tandindinon-doza noho ny fihazana tsy ara-dalàna ny sokatra eto amintsika.

Manoloana io tranga io, notsiahivin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy hatrany fa raran’ny lalàna ny fihazana, ny fihinanana, ny fiompiana ary ny fanondranana ny sokatra. Tsy ny sokatra ihany fa ireo biby rehetra tsy fahita raha tsy eto amintsika sy ireo izay efa atahotana ho lany tamingana. Tsy misy ny indra-fo ho an’ireo rehetra izay tratra mandika ireo lalàna ireo.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer