Songadim-baovaoToekarena
TELEFERIKA ANOSY – AMBATOBE:Misokatra ho an’ny daholobe manomboka anio, 3 000Ar ny tapakila
“Tonga ilay fotoana itokanantsika ity fotodrafitrasa mitondra fanavaozana, fa indrindra indrindra, mitondra soa sy anamaivana ny fifamezivezen’ny mponina eto Antananarivo renivohitra”. Io teny io no nanombohan’ny Filoha Andry Rajoelina, ny lahateniny nandritra ny lanonam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy ny zotra Teleferika, omaly maraina, tetsy Ivandry. Niara-dia taminy nanditra izany lanonana izany, Ramatoa vadiny, Mialy Rajoelina. Fanamby lehibe anavaozana sy ampivelarana ny fitaovam-pitateram-bahoaka eto Antananarivo renivohitra tokoa ity nosokafana amin’ny fomba ofisialy ity. Ny zotra Volomboasary ity nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ity, izay mampitohy an’Anosy sy Ambatobe. Ahitana toeram-piantsonana 7 sy “cabines” 198. Izy ity no zotra ana Teleferika isan’ny lava indrindra eran-tany, nefa isan’ny vita haingana indrindra, satria dia tao anatin’ny 24 volana monja no nananganana azy. Misokatra ho an’ny daholobe manomboka ny anio sabotsy 16 aogositra ny Teleferika. Amin’izao fiandohana izao, dia ny zotra miainga eo Anosy hatreo Ivandry ihany aloha no hiasa. Amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 9 ora maraina, sy ny amin’ny 4 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva no fotoana fisokafany. Izany no natao dia mba anazarana ny vahoaka amin’ny fampiasana azy aloha, nefa koa hitsinjovana ireo mpiasa sy mpianatra. Vahoaka maro no tonga nanatrika izany lanonana izany. Teo koa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra, ary ireo parlemantera notarihin’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona sy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, ary ny Ben’ny tanànan’Antananarivo. Teo koa ireo solontenan’ireo delegasion’ireo firenena mikambana eo anivon’ny SADC. Rehefa vita moa ny lanonana dia samy nandray Teleferika avokoa ireo vahiny nasaina. Nandeha hatreny Ambatobe ka hatrany Soarano moa ny Filoham-pirenena tamin’izany. Misongadina aty amin’ny faritra Atsimon’ny Sahara, I Madagasikara amin’ny fanavaozana ny fitateram-bahoaka, amin’ny alalan’ny Teleferika. Fa eo koa ny tetikasa « train urbain ». Raha nahita ny fahasahian’i Madagasikara noho ny vinan’ny Filoha Rajoelina, dia hiroso amin’ny fananganana Teleferika koa ny firenena afrikanina hafa, tahaka an’i Rwanda, izay ho atao ao Kigali, sy i Bénin izay ho atao ao Kotonou.
Rado Harivelo




