Songadim-baovaoSosialy
BAKALOREA: 57,98% ny taham-pahafahana tao Fianarantsoa
Faritany namoaka voalohany ny valim-panadinana bakalorea tamin’ity taona 2025 ity ny tao Fianarantsoa. Ny alin’ny talata hifoha ny alarobia lasa teo no nanomboka nahafantatra ny voka-panadinany ireo mpianatra. Araka izany, 57,98% amin’ny ankapobeny ny taham-pahafahana fanadihadiana bakalorea ho an’ny Faritanin’i Fianarantsoa. Ny 20 873 tamin’ireo mpiadina miisa 35 941 voasoratra anarana tamin’ny fanadinana no tafita.
Ho an’ny sokajy ankapobeny manokana, mitotaly 57,52% ny taham-pahafahana. Ny sokajy C no nahitana taham-pahafahana ambony indrindra nahatratra 82,24%. Manaraka azy ny sokajy OSE 75,34%, ary ny sokajy L manana taham-pahafahana 63,02%. Sokajy nahitana mpiadina maro an’isa indrindra ny tany amin’ny A2. Ny 12 504 tamin’ireo 21 598 ihany anefa no afa-panadinana. Nanome taham-pahafahana 57,89%. 59,93% ny taha fahafahana fanadihadiana ho an’ny sokajy A1, 50,68% ho an’ny sokajy D ary 41,68% ho an’ny sokajy S.
Mahakasika ny sokajy teknika indray. Mpiadina 807 tamin’ireo 1 118 no afa-panadinana. Manome salanisa 72,18%.
Taorian’i Fianarantsoa moa, antenaina fa hivoaka miandalana ny valim-panadinana ho an’ireo faritany hafa. Nohazavain’ny tompon’antoka avy amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa fa ahitana elanelam-potoana ny famoahana ny valim-panadinana isaky ny Faritany noho ny tsy fitovian’ny antotanisan’ireo mpiadina. Haingana kokoa ny fikarakarana ny vokatra ho an’ireo Faritany manana kandidà vitsy isa. Handrasana hatramin’ny herinandro ho avy io ny fahavitan’ny famoahana ny valim-panadinana manerana ny Faritany rehetra.
Sarobidy Sidonie.




