Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
RAHARAHA AMBOHIMALAZA : Manamafy ny manam-pahefana fa mbola any am-ponja i Fenohasina
Nanao fanambarana omaly, ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana, indrindra ny fitantanana ny fonja, manoloana ny tsaho sy vaovao mivezivezy amin’ny tambajotran-tserasera momba ny raharaha Ambohimalaza. Araka ny fanazavan’i Volazara Sakina Mohamady, Tale Jeneralin’ny Fitantanana ny Fonja, dia olona dimy mirahavavy no nosamborina sy napetraka am-ponja any amin’ny toerana samihafa, mba hanamora ny fanadihadiana. “Anisan’izany i Fenohasina, ilay vehivavy nikarakara ilay fety, izay fantatra fa ao amin’ny fonjan’i Manjakandriana nanomboka ny 30 Jolay lasa teo, ary mbola any amin’io fonja io mandraka androany”, hoy izy. Notsindriany fa efa nentina natao fanadihadiana teo anivon’ny tribonaly izy, tamin’ny talata 12 Aogositra, ary vantany vao vita izany dia niverina avy hatrany tany amin’ny fonjan’i Manjakandriana. Misy boky manokana, antsoina hoe “cahier de mouvement”, ao amin’ny “poste”-n’ny fonja, izay mirakitra ny ora niaingany sy nahatongavany, manaporofo ny fisiany ao am-ponja. Niantso ny sain’ny vahoaka izy, indrindra ireo ray aman-dreny sy fianakaviana namoy havana tamin’io loza io, mba tsy hihaino sy tsy hino tsaho, fa haka vaovao marina avy amin’ny manampahefana. Nambarany koa fa misokatra ny varavarana raha misy fanontaniana mikasika io raharaha io.
Nanamafy i Belalahy Hanitriniaina, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana “fa enjehin’ny lalàna ny fanaparitahana vaovao tsy marina, indrindra amin’izao vanim-potoana mora ahafahana mandefa hafatra sy vaovao amin’ny tambajotran-tserasera izao”. Nilaza izy fa manana andraikitra manamarina ny mahamety azy ny vaovao alohan’ny hamoahana azy ny olona iray, ary tomponandraikitra tanteraka amin’ny vokatr’izany raha toa ka diso ilay vaovao navoakany. Notsindriany fa mbola ao anatin’ny fahoriana lalina ireo fianakaviana namoy havana tamin’ity tranga ity. Noho izany, hoy izy, dia tokony hifantoka amin’ny fanohanana sy fanajana ireo niharam-boina ny rehetra, fa tsy hanaparitaka vaovao diso sy tsy voamarina, izay vao mainka manampy trotraka amin’ny alahelo sy ny fahoriana. Tsiahivina, fa tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, dia nandray ireo fianakaviana sy sitrana tamin’ity loza ity tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, mba hanome fampaherezana sy fanohanana azy ireo.
Pierre M.




