Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

HABIBIANA AO TOAMASINA: Tovovavy iray maty nisy nitifitra teo amin’ny tendany

Nisehoana habibiana indray tao Toamasina ny harivan’ny alarobia 13 aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany, tao Tsararivotra Toamasina, akaikin’ny orinasa Colas. Vehivavy tanora, 32 taona, antsoina hoe Randriandratovo Suzaza Brucia, no maty nisy nitifitra teo amin’ny tendany. Teo am-pamiliana fiaran’ny orinasa iasany iny izy no niharan’izao habibiana tampoka izao, raha ny fanazavana azo. Teo amin’ny tendany afovoany no nidiran’ny bala tamin’izany ka nahatonga izao fahafatesany teo noho eo izao, raha ny fantatra. Vao nahare ity tranga ity ny mpitandro filaminana dia nanao fizahana ifotony ny zava-nitranga, ary nanao savahao ny manodidina, saingy hatreto, tsy mbola nahitana mangirana ny momba ny nahavanon-doza. Tsy nisy zavatra very tamin’ny niharam-boina na iray aza, raha ny fanazavana. Eo anatrehan’izany indrindra no ironan’ny ahiahin’ny maro ny amin’ny mety nisiana ny antsoina hoe “règlement de compte” tamin’ity fisehoan-javatra ity. Manomboka ny fanadihadiana mikasika ity tranga ity, ary efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha. Io tovovavy io, izay fantatra, fa mamam-pahaizana Injeniera ao amin’ny orinasa iasany, ary mbola mpitovo. Raha ny loharanom-baovao voaray dia efa nisy fandrahonana azy ho faty tany amin’ny taona maro lasa tany. Ny fanadihadiana anefa, no hamaritra izay tena zava-misy ao ambadik’ity raharaha ity. Andrasana ny tohiny. Mateti-pitranga ao Toamasina ity vono olona feno habibiana tsy fantatr’antony ity, ary tanora avokoa no lasibatra amin’izany.

S.R

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer