
PolitikaSongadim-baovao
MADAGASIKARA-FRANTSA : Mipaka mivantana amin’ny vahoaka eny ifotony ny fiarahamiasa itsinjaram-pahefana
Nanomboka omaly ary haharitra anio, ny andiany fahatelo amin’ny fivoriana momba ny fiaraha-miasa itsinjaram-pahefana eo amin’i Madagasikara sy Frantsa. Endrika iray lehibe amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny fiaraha-miasa itsinjaram-pahefana satria mipàka mivantana amin’ireo Vondrom-bahoaka eny ifotony. Mifanojo amin’ny vina ho an’ny fampondrosoana napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina rahateo, fa tsy misy distrika na kaominina hadino eto Madagasikara. « Fitantanana ifotony, mitarika fahafaha-miarin-doha manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro » no lohahevitr’ity andiany fahatelo ity, izay natao indrindra hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Frantsa amin’ny sehatra maro toy ny fambolena, ny fanjarian-tsakafo, ny rano, ny fanadiovana sy fidiovana, ny fampandrosoana ara-toekarena, ny tanora. Ny governemanta malagasy sy Frantsay, tohanan’ny Cités Unies France izay ivondronan’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana any Frantsa manana fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena, no miara-misalahy amin’ny fikarakarana ity fivoriana atao eto Antananarivo ity. “Manaporofo ny fahavononana ampifanakaiky ny firenena roa tonta sy ny vahoaka ao anatiny ary andrafitra ho avy mamiratra ity fihaonana ity”, hoy ny Filoha Rajoelina Andry tao anaty lahateniny. Manaporofo koa ny maha zava-dehibe ny fitsinjaram-pahefana ny fanatrehan’ny Filoham-pirenena ny fanombohana ity fivoriana ity. I Madagasikara izay, araka ny notsindrian’ny masoivoho frantsay, Arnaud Guillois, izay efa mizotra tanteraka amin’ny fametrahana izany fitsinjaram-pahefana izany, amin’ny alalan’ny “Plan National de Décentralisation Émergente (PNDE)”.
Fiaraha-miasa mipaka ifotony…
Endrika iray lehibe amin’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa ny fiaraha-miasa itsinjaram-pahefana na ny “Coopération décentralisée”, izay fiaraha-miasa iraisam-pirenena mipaka hatreny ifotony, satria fiaraha-miasa mivantan’ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny taona 1961 no nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa voalohany mahakasika izany tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny kaominin’i Manakara sy ny kaominin’i Parthenay. Ankehitriny, dia kaominina 19 sy faritra 15 eto Madagasikara no miara-miasa amina kaominina 14, vondrona kaominina 13 sy departemanta efatra ary faritra dimy any Frantsa. Ary tamin’izy ben’ny tanànan’Antananarivo dia niara-niasa akaiky tamin’ny « Region Ile de France » ny Filoha Rajoelina amin’ny fampandrosoana sy fanatsarana an’Antananarivo renivohitra. Mifonojo tanteraka amin’ireo laharam-pahamehan’ny Politikam-pampandrosoana an’i Madagasikara ity endrika fiaraha-miasa ity, ary indrindra mipaka hatreny ifotony. Notsiahivin’ny Filoha Rajoelina Andry rahateo fa anatin’ny vinam-pampandrosoana an’i Madagasikara, izay entiny dia tsy misy ny faritra, ny distrika, na kaominina ho hadino sy ho atao anjorom-bala. Mifanojo amin’ny tanjona itondrana fampandrosoana mirindra sy ara-drariny koa ity endrika fiaraha-miasa ity.
Nanotrona ity lanonam-panokafana ity koa ireo tomponandraikitra maro tahaka ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, sy ireo parlemantera maro. Toraka izany koa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, isan’izany ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ireo governoram-paritra, sy ireo Ben’ny tanàna, isan’izany ny Ben’ny tanànan’Antananarivo. Eo koa ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Teo koa ireo tomponandraikitra sy olom-boafidy frantsay, izay tarihin’ny Loholona, Michel Laugier, izay sady filohan’ny “groupe d’amitié sénatoriale France – Madagascar”, sy Alain Rousset, filoha’ny faritra « Nouvelle – Aquitaine » no sady filohan’ny « groupe pays Madagascar » eo anivon’ny « Cités Unies France ». Ankoatra an’i Arnaud Guillois, masoivohon’i Frantsa dia nanatrika ity lanonana ity koa ireo masoivoho maro miasa eto Madagasikara.
Rado Harivelo




