PolitikaSongadim-baovao

HETSIKA NATAON’I BABA RAKOTOARISOA : Mampibaribary ny fahalemen’ny mpanohitra

Baba Rakotoarisoa mitarika “bidon jaune” teo anoloan’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, nandefa ny horonam-peon-dRamatoa Loholona Lalatiana Rakotondrazafy fahiny, ary niantso an’ity farany mba hidina andalambe eny Ambohijatovo amin’ny 25 Septambra 2025 izao, ireo no famitinana ny fihetsiketsehana niseho omaly tetsy Anosy. Tsy fantatra mazava izay tena tiana nahatongavana fa raha ny zava-niseho rehetra teny an-toerana dia maneho tanteraka ny faharefoan’ny mpanohitra eto Madagasikara, Baba Rakotoarisoa miaraka amin’ny mpanolontsain’ny tanàna miisa roa no tonga teny an-toerana. Midika izany fa tsy mahatarika olona ireto mpanolontsain’ny tanàna mpanohitra ireto. Ny Fangatahana nataon’izy ireo rahateo moa dia toa miantso vonjy amin’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy mba hitarika ny fidinana an-dalambe. « Misy teboka goavana be kosa anefa azo tsoahina amin’ilay izy, mahalala tsara izany ny mpanohitra hoe tsy mahatarika olona e, dia mila miantso an’i Lalatiana hoe avia mba tariho izahay. Miaiky ihany izany anie izy ireo fa Lalatiana no mahatarika olona e, na izy ireo aza izany hanaraka raha izaho no mitarika, mankasitraka e », hoy Lalatiana Rakotondrazafy.

Na izany aza, nomelohiny ny fidirana an-keriny sy ny fanaovana hetsika tsy nahazoana alalana teo am-baravaran’ny Antenimierandoholona. « Lapam-panjakana io, andrim-panjakana io ka tsy hanaovana barofo tahaka izany. Heloka eo anatrehan’ny lalàna manan-kery izany satria manana ny satany ny lapam-panjakana tahaka an’io. Na ny tranon’olon-tsotra aza tsy azo idirana fahatany tsisy alalana izany », hoy izy.

Ankoatra izay, mikasika ny olan’ny delestazy sy rano, dia tsy mitovy, hoy izy , ny zavanisy tamin’ny 2016 sy izao 2025 izao. Tany aloha dia tsy nirototra nitady vahaolana mihitsy ny mpitondra. Fa ankehitriny kosa efa misy ny lamina mipetraka ary efa manomboka ny asa (parcs solaires, groupes électrogènes….) efa miandry ny fahavitany isika izany. Mikasika ny rano koa dia efa miainga ny « appel d’offre International » , hanoloana ny fatson-drano na tuyaux 64 km eto Tana ville. Efa hita mazava izany fa misy ny fandaharanasa maty paika hamahana olana dia miandry ny fahavitany isika.

Notsindrian’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy fa tsy mampiantso fivoriana na fihaonana eo Ambohijatovo izany ny tenany ka tompon’andraikitra feno izay manao izany antso izany. Ary mila mivonona hiantsoroka izay vokatry ny atao fa tsy manilika amin’olon-kafa na mitabataba hoe didy jadona .

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer