Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

MAROANTSETRA : Nidoboka -ponja ireo telo lahy milaza mahay mampitombo vola

Niakatra fampanoavana afakomaly,  ireo telo lahy voasambotra, ahiahina ho nanao vola sandoka sy nisoloky, tra-tehaka ny alatsinainy lasa teo. Nahazo antso an-tariby avy amin’ny sefo fokontany Anjamarina, Kaominina renivohitra Maroantsetra ny Komandin’ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria ao Maroantsetra fa misy olona manamboatra vola sandoka. ‎Vao naheno izany ny Zandarimaria dia nandefa Zandary telo  nanao ny fitsirihana sy fisamborana. Rehefa natao ny fitsirihana izay niarahana tamin’ny sefo fokontany dia olona telo no tao anatin’ilay trano, izay nikasa ny hitsoaka,  kanefa voasambotra avokoa noho ny fifanampian’ny zandary sy ny fokonolona manodidina. Rehefa natao ny fizahana dia nahatrarana fitaovana maromaro tany amin’izy ireo. Ka anisan’izany ny vola tena izy roa alina ariary miisa  20 isa mitentina 400.000Ar  ; taratasy fotsy mitapatapaka nahatratra 181 isa. Teo koa ny hety,  vatokely miisa 11, « puce » yas telo, « puce » orange iray. Mbola nahitana kojakoja maro isan-karazany tahaka ny

« carte mémoire »  miisa roa, antsy pika iray,  siny misy ranonjavatra iray niaraka tamin’ny  karapanondro iray sy karatry ny  mpianatra iray ary landihazo.  Telo lahy ireo voasambotra, izay misy any Mandritsara, sy avy any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahavelona, anatin’ny distrikan’i Maroantsetra. Rehefa nohadihadiana lalina, dia nanambara ny komandin’ny Kaompania Maroantsetra, ny Kapiteny Vonimbanga Sinclair Marcel fa  « fisolokiana avo lenta amin’ny alalan’ny fampitomboana vola no vesatra iampangana azy ireo ». ‎Natao andrimaso tao amin’ny vondron-tobim-paritra Maroantsetra izy telo lahy ireo nialohan’ny nampakarana azy fampanoavana.

‎‎Taorian’ny fanadihadiana, izay eo ambany fitarihan’ny komandin’ny vondron-tobim-paritra Maroantsetra, dia niakatra Fampanoavana ary izao nidoboka am-ponja izao. Tiana hatrany ny manamarika fa helohin’ny lalàna hiasa an-terivozona ny  fanaovana vola sandoka sy ny fanaparitahana izany any anaty fiarahamonina, raha nikasa hanao izany izy ireo.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer