PolitikaSongadim-baovao
80 TAONA NIJOROAN’NY FIRENENA MIKAMBANA: Hanatrika ny fihaonambe ny Filoha Rajoelina, hitondra ny feon’ny SADC
Mandray anjara feno amin’ny Fihaonambe faha 80 ny Firenena Mikambana i Madagasikara amin’ny alalan’ny delegasiona, izay tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, miaraka amin-dRamatoa vadiny Mialy Rajoelina. Izany dia mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny faha 80 taona nijoroan’ny Firenena Mikambana. Atao ao amin’ny foiben’ity fikambanana ity, ao New York, Etazonia, manomboka anio, hatramin’ny faha 26 septambra, io fivoriana io. Manoloana ny toe-java-misy maneran-tany sy ireo ambana vaovao, eo amin’ny tontolo iraisam-pirenena, dia zava-dehibe ho an’ny ho avin’izao tontolo izao, sy ho an’ireo Firenena tsirairay mivondrona ao amin’ny Firenena mikambana ity fivoriana ity. Mivoy ny fiaraha-mientana iraisam-pirenana ho an’ny fikatsahana ny fandriampahalemana maharitra, ny fampandrosoana mirindra sy ara-drariny, ary ny fanajana ny zo maha olona rahateo, ny lohahevi-dehibe ifantohan’ity Fihaonambe faha 80 ity. “Mieux ensemble : 80 ans et plus pour la paix, le developpement et les droits de l’Homme”, amin’ny teny frantsay, izay azo adika amin’ny teny malagasy hoe : “Mahomby miaraka : 80 taona nametrahana fandriampahalemana, nikatsahana ny fampandrosoana sy nilofosana ho an’ny fampanajana ny zon’olombelona”.
Vinan’ny Fitondram-panjakana…
Manaporofo ny maha zava-dehibe ity Fihaonam-be faha 80 ny Firenena Mikambana ity ny fandraisana anjaran’ny ankamaroan’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena governemanta maneran-tany. Sambany no ho tafavory marobe izy ireo hatramin’ny taona 2020, izay nisian’ny fihibohana, noho ny Covid-19. Mifanojo amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana na PGE rahateo io lohahevitra io. Andry voalohany anatin’izany Politika ankapoben’ny Fanjakana, ny fampandrosoana maharitra, amin’ny alalan’ny fanamafisana sy ny fanomeza-danja ny maha olona na “capital humain”, sy ny fitrandrahana ara-drariny ny harena ara-boajanahary.
Isan’ny vinan’ny Filoham-pirenena koa ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra. Nandritra ireo kabary efa nataony amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia tsy sasatra ny Filoha Rajoelina ny manao antso ho an’izay fandriam-pahalemana izany, sy amin’ny fiaraha-misalahin’ireo firenena rehetra, iatrehana ireo ambana iraisana, tahaka ny ady amin’ny fahantrana, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fiovaovan’ny toetrandro.
Mitondra ny feon’ny SADC
Tamin’ny taona 2022 ny Filoha Rajoelina no nandray anjara farany tamin’ny Fihaonana an-tampon’ny Firenena Mikambana. Isaky ny manatrika izany izy, dia misolo tena feno ny Firenena malagasy mandritra ireo lahadinika goavana resahina ary mitarika ireo ady sisika ho an’ny tombontsoan’i Madagasikara. Marihina fa mitondra koa ny sata maha Filohan’ny SADC azy, ny Filoha Andry Rajoelina, amin’ity taona ity. Araka izany, dia ankoatran’ny feon’i Madagasikara, dia itondra ny tenin’ireo firenena sy mponina avy amin’ireo mpikambana 16 ao amin’ity Vondrom-paritra ho amin’ny fampandrosoana an’ireo Firenena aty amin’ny ilany Atsimon’i Afrika ity koa izy.
Isan’ny andrasana mandritra ity fandraisana anjara an’i Madagasikara amin’ity Fihaonana an-tampony faha 80 ny ONU ity ny lahateny, izay ho ataon’ny Filoha Andry Rajoelina manoloana ireo Firenena mpikambana, ao amin’ny efitranom-pivoriana lehibe an’ny ONU. Hisy koa ny fihaonana manokana ho ataony amin’ireo tomponandraikitra ambony maro. Isan’izany ny fihaonana amin’i Antonio Guterres, Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana. Teboka lehibe hifampiresahan’izy ireo ny mahakasika ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, indrindra fa ny fanampiana ireo firenena misedra ny voka-dratsin’izany, toa an’i Madagasikara, izay misedra hain-tany sy rivo-doza mahery vaika matetika. Amin’ny maha Filohan’ny SADC azy, dia hitarika ny fiaraha-misakafo arakasa iarahan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC sy ireo avy amin’ny Fondation Afrique – Europe ny Filoha Andry Rajoelina. Hisy ny fandraisam-pitenenany amin’ny fanokafana ity fotoana ity. Voaasa hanatrika koa ny “diner d’Etat” izay atolotry ny Filoha amerikanina sy Ramatoa vadiny, Donald Trump sy Melania Trump, ny Filoha Rajoelina mivady.
Rado Harivelo




