
Songadim-baovaoToekarena
TAMBAZOTRA IRAISAN’ANTANANARIVO: Mahatratra hatramin’ny 25% ny fidinan’ny famokarana herinaratra
Nihamafy tato ho ato ny fitarainana sy ny fitokonan’ny mponina mahakasika ny hadirin’ny fahatapahan-jiro miseho eto Antananarivo sy ny manodidina. Vao omaly hariva, ohatra, dia anisan’ireo nanatanteraka fitokonana ho fanehoana ny tsy fankahasitrahan’izy ireo ny fahatapahan-jiro lavareny ireo mponina eny Sabotsy Namehana. Mba ho fanazavana amin’ny mponina mahakasika ny zava-misy manodidina ny famokarana herinaratra eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA) dia nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, ny avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny avy amin’ny Jirama tamin’ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny foibem-pamokarana herinaratra AKSAF Power Ambohimanambola. Nitarika izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Olivier Jean-Baptiste sy ny Tale Jeneralin’ny orinasa Jirama Ron Weiss, ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Ao anatin’ny vanim-potoan’ny maintany isika eto Madagasikara ankehitriny. Ankoatra ny fihenan’ny rano any Andekaleka, Mandraka, Mahitsy sy Farahantsana dia misy koa ireo fahasimbanana amin’ireo milina mpamokatra herinaratra. Vokatry ny fahamaizana sy ny fahasimbana naterak’ireo menaka mavesatra ratsy kalitao no mahatonga izany, toy ny hita any amin’ny tobim-pamokarana VESTOP Antsirabe, sy AKSAF ary CTA2 izay samy eo Ambohimanambola. Araka izany dia tsy ampy hamaliana ny filàna herinaratra ny vokatra misy amin’izao fotoana ka antony miteraka ny fahatapahan-jiro mifandimby eto amin’ny RIA, hoy ny fanazavana. Manodidina ny 250 hatramin’ny 260Mw izany filàna herinaratra eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo izany amin’ny ora mahabetsaka ireo mpanjifa. Mananika ny 200Mw kosa ny fitambaran’ny filàna fanampiny amin’ireo fangatahana fampidiran-jiro sy fanitarana ankehitriny, avy amin’ny olon-tsotra sy avy amina orinasa. Mahatratra 25% (30 hatramin’ny 50Mw), noho izany, ny fidinan’ny famokarana herinaratra ho an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo. Tsy misy afa-tsy 40 hatramin’ny 60Mw ankehitriny ny tanjaka herinaratra avo avy any Andekaleka raha toa ka tokony ho 120Mw izany. Midina ho 40Mw ny 60Mw avy amin’ny AKSAF. Lasa 20Mw ny tanjaka 24Mw avy amin’ny CTA2, ary mbola eo an-dalam-panamboarana ny VESTOP.
Fanamboarana ireo milina sy fanafaingana ireo “centrale solaire”
Manoloana ireo, vahaolana maromaro no entin’ny Fitondram-panjakana miaraka amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo sy ny Jirama ary ireo mpiara-miombon’antoka sy mpandraharaha tsy miankina. Tanjona ny hampiakarana miandalana ny famokarana herinaratra ho an’ny RIA, ka hanalefahana tsikelikely ny fahatapahan-jiro. Anisan’ireo tafiditra ao anatin’ireo vahaolana maika tsy maintsy hotanterahana ny fanamboarana haingana ireo milina rehetra simba (CTA 2, VESTOP, AKSAF). Eo ihany koa ny fandefasana ireo milina mandeha amin’ny gazoala, TAC 1 sy TAC 2, hanome 12 hatramin’ny 15 Mw ny iray. Fampiroboroboana hatrany ny fiaraha-miasan’ny Jirama amin’ireo mpisehatra tsy miankina, hanampy amin’ny fampiakarana ny famokarana herinaratra. Ary farany ny fitodihana amin’ny fandatsahana orana artifisialy vao vantany feno ny fepetra hampiakarana ny haavon’ny rano.
Nofaritana ao anatin’ireo vahaolana fohy ezaka hotanterahana kosa ny fanafainganana ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro (centrale solaire) ao anaty Tetikasa 50Mw ka ny 30Mw dia eto Antananarivo. Tafiditra ao anatin’ny vahaolana koa ny fampiakarana avy any Toamasina ny milina hamokatra 105Mw ao Ambohimanambola. Marihina fa efa vita tanteraka ny fanamafisana ireo tetezana amin’ny RN2 ankehitriny. Mamarana ireo pitsopitsony teknika sy lamina isan-tsokajiny ireo tompon’andraikitra amin’izao fotoana. Manomboka amin’ity herinandro ity no kendrena hanomboka tsikelikely ny fitaterana (convoi exceptionnel) ireo fitaovana. Anisan’izany ny « blocs moteurs » miisa 7, « altérnateurs » miisa 7, « transformateurs » miisa 3, ary ireo kojakoja maro isan-karazany miaraka aminy. Izay milina sy fitaovana tafapetraka ao Ambohimanambola dia hamokatra herinaratra avy hatrany, fa tsy hiandrasana ny fahavitan’ny fotodrafitrasa manontolo, hoy ny fanazavana. Vahaolana fohy ezaka ihany koa ny fanafainganana ny fametrahana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro eo Tsarasaotra izay hamokatra 100Mw. Eo am-pandinihana ny tolotra teknika sy ara-bola ankehitriny ny vaomiera misahana izany, hahafahana manafaingana ny fanombohan’ny asa, izay haharitra herintaona eo ho eo. Velarantany mirefy 100Ha no hananganana io tetikasa io, izay hisy takelamasoandro miisa 170.000 sy vatoaratra (batterie) 200MWh. Hizara andiany ny asa fananganana ka hampiditra herinaratra avy hatrany amin’ny « Sous-station » etsy Antanandrano izay vita.
Araka izany, miantso ny vahoaka mba ho tony hatrany sy hanana faharetana ireo tompon’andraikitra, manoloana ny fotoan-tsarotra lalovana amin’ny tsy fahampian’ny famokarana herinaratra ankehitriny. “Tsy vahaolana ny fanimbana ny fananana iombonana”, hoy ny fanentanana. “Efa manao ny ezaka rehetra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny Fanjakana sy ny tsy miankina, hampiakarana miandalana ny famokarana herinaratra eto amin’ny RIA. Ilaina ny fifanomezan-tanana eo amin’ny mpisehatra rehetra ho fanampiana ny Jirama”.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




