Songadim-baovaoSosialy

HAINTRANO TAO MANANJARY: Nahavory 16 tapitrisa Ar mahery ny Vahoakan’Ifanadiana ho an’ireo traboina

Ny firaisan-kina no hery ! Miharihary hatrany ny maha iray ny Malagasy eo anatrehan’ny voina manjo ny mpiray tanindrazana. Tsy nitazam-potsiny manoloana ny fahavoazana goavana naharavana fananana sy nafoizana aina tao anatin’ny indray nipi-maso tao Mananjary ny vahoakan’ny Distrikan’Ifanadiana izay notarihan’ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Manantena Hajanirina Dinah, fa nanao antso avo tamin’ny vahoakan’Ifanadiana ho fanampiana ireo niharam-boina. Ity farany izay nilaza, fa tsy afaka ny hipetra-potsiny manoloana ity voina nahazo ny distrika Reny malalan’izy ireo ity, amin’ny maha Renivohitry ny Faritra Vatovavy an’i Mananjary. Noho izany dia tsy nisalasala nanohina ny antsony ireo vahoakan’Ifanadiana, mpiasam-panjakana, tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ary mpandraharaha sy mpiara-miombon’antoka ao an-toerana. Lelavola mitentina 16 755 100 Ariary no voaangona tamin’izany, miampy fitaovana sy kojakoja maro samihafa mifandraika amin’ny filàna maha olona. Andro vitsivitsy taorian’ny nitrangan’ny loza no nanaovan’ity olom-boafidin’Ifanadiana antso avo, ary ny Sabotsy 20 Septambra teo ihany dia tonga nanolotra izany mivantana tao Mananjary ny tenany. Nifanotrona taminy tamin’izany ireo solontenan’ny vahoakan’Ifanadiana sy tompon’andraikitra samihafa avy ao an-toerana. Marihina, fa Fokontany miisa 03 ao Mananjary no indray hotohoton’ny afo tamin’ity loza ity, dia Anosinakoho, Ankadirano ary Masindrano, izay nisiana traboina maherin’ny 2000, mandrafitra fianakaviana 400. Ireto farany izay nisitraka mivantana ireo fanampiana ny faran’ny herinandro teo. Ankoatr’izay ny fanoloran’Ifanadiana fiara nitondrana ny razana tao amin’io voina io.

Haitarika nanaitra ny maro…

Nanaitra ny maro tao Mananjary sy tamina akom-baovao samihafa ny haitarika nananan’ity Depioten’Ifanadiana ity, nohon’ny vokatry ny antso avo nataony ka namalian’ireo malala-tanana rehetra tao Ifanadiana, izay tsy nijerena firehana politika. Nivoitra tao an-toerana, fa ankoatra ny firodorodoan’ny Fitondram-panjakana avy aty Antananarivo, dia tsy mbola nisy distrika nahavita tahak’izao raha tao Vatovavy. Fantatra moa, fa efa fanaon’Ifanadiana ny mijery ireo distrika rahavaviny iharam-pahavoazana. Anisan’izany ny tao Ikongo, izay nisiana fahafatesana maro vokatry ny firogatry ny tazomoka farany teo. “Ohatra velona ho an’ny rehetra na mpanao politika na fikambanana sns ny fahaiza-mitarika ananan’ny Depiote tahaka izao, ary soa fianatra ihany koa ka hiantsoana ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hifanohana amin’ny mpiray tanindrazana niharam-pahavoazana”, raha ny nivoitra tao Mananjary ny faran’ny herinandro teo.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer