SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FANAOVAN-GAZETY SY NY COVID-19: Nanolotra fampiofanana ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny ady amin’ny Covid-19 ny sehatry ny asa fanaovan-gazety. Ilàna fahamalinana ny fikirakirana vaovao. Ary tandrovana ny tsy hahatonga izany ho lasa fanakorontanana ny fiarahamonina indray, fa kosa, mba hifameno amin’ny paikady hapetraky ny Fitondram-panjakana foibe. Resy lahatra amin’izany ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety ka nanatanteraka fampiofanana ireo mpikambana ao aminy, nandritra ny roa andro. Lohahevi-dehibe nitondrana ny fampiofanana tamin’izany ny hoe, asa fanaovan-gazety siantifika, asa fanaovan-gazety amin’ny vanim-potoan’ny krizy, torohay ara-pahasalamana, fitarihana sy fivoaran’ny vehivavy, ary fifampizarana traikefa. Marihana fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Ny Adidintsika” ity fampiofanana natao ity, izay hiarahana amin’ny sampandraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana. Omaly, noho izany, no lanonana nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny “certificats” ho an’ireo nisitraka ny fampiofanana. Nanontrona izany ny Talen’ny Kabinetran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rasoanarivo Haja, izay nisolotena ny minisitra.

Nambarany nandritra ny fandraisam-pitenenany fa “Zava-dehibe ny fananana traikefa satria mila zavatra matihanina ny mpanara-baovao…” .

Tsara ho fanatra fa manodidina ny 477 izao ireo mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety, araka ny fanazavana.

Fermer