Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
SINOA MIANADAHY HITA FATY TENY 67HA: Nisy namono, roa lahy tompon’antoka voasambotra
Herinandro taty aoriana dia nivaly ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ny Polisim-pirenena mikasika ireo teratany Sinoa hita faty tao an-tranony, teny 67Ha, ny 11 septambra lasa teo. Ny Polisy misahana ny heloka bevava Anosy no nahatratra azy roa lahy ireto, izay voarohirohy ho namono nahafaty ireo sinoa mianadahy tompon’ny toeram-pisakafoanana iray eny an-toerana. Raha tsiahivina dia ny 15 septambra lasa teo, no nahitana ireo razana roa tao amin’ilay trano fisakafoanana ihany. Taorian’ny fikarohana lalina nataon’ny Polisin’ny BC anefa, no nahatrarana azy roa lahy, izay samy mpiasa tao amin’ilay trano fisakafoanana io, ny sabotsy 20 septambra lasa teo. Ny iray voasambotra ny androtr’io, teny Ivato, raha tany ambanivohitr’i Manakara ny iray, ny harivan’io ihany. Ireto farany, izay voalaza fa niaiky ny maha tompon’antoka azy ireo tamin’iny tranga vono olona iny. Voalaza moa, fa hala-bola miampy lonilony no antony namonoan’ireto farany ireo teratany sinoa mpampiasa azy ireto. Mbola nisy tamin’ny ampaham-bola nangalarin’izy ireo no tratra teny aminy nandritra ny fisamborana nataon’ny Polisy. Fitondram-panjakana malagasy dia manao ezaka hatrany amin’ny fanamafisana ny fandriam-pahalemana amin’ny alalan’ny mpitandro ny filaminana eto amin’ny firenena, na ho ana teratany vahiny izany na Malagasy tsy an-kanavaka. Hatolotra ny fampanoavana izy roa lahy ireto rehefa vita ny famotorana savaranonando ataon’ny Polisim-pirenena.
Stan R.




