PolitikaSongadim-baovao
FIHETSIKETSEHANA RAHAMPITSO…: Tsy azo tanterahina, nandray fepetra ny Prefe
Nampahafantatra ny Prefen’Antananarivo, ny Jeneraly Angelo Ravelonarivo, omaly fa samy tsy nisy nomena alalana na ny hetsiky ny mpanohitra eo Ambohijatovo, na ny hetsiky ny mpomba ny Fitondrana ao amin’ny Roxy rahampitso. Tanjona dia mba hitondravana hatrany filaminam-bahoaka, indrindra taorian’ireo fandrahonana olona marobe niseho tany amin’ny tambazotran-tserasera.
Tsy nahazo alalana hanao hetsika etsy Ambohijatovo ny mpanolontsaina monisipaly avy amin’ny firaisankin’ny mpanohatra, araka ny tapaky ny Organisation Mixte de Conception (Omc) notarihin’ny Prefen’ Antananarivo omaly. Mifanindran-dalana amin’izay koa, tsy nahazo alalana hivory ao amin’ny Roxy ihany koa ny avy amin’ny TGV, hoy ihany ny fanazavana am-bava nataon’ny Prefe. Antony araka ny nambarany dia misy loza mitatao amin’ny fandriampahalemana ny fisian’ny fandranitana miparitaka amin’ny fikasana handoro na hanafika tranon’olona.
Hatramin’ny omaly moa dia mbola milaza ny fanoherana sy ny solombavam-bahoaka miara dia amin’izy ireo, fa tsy maintsy tanterahana ny hetsika amin’ny 25 septambra izao. Azo antoka fa hiatrana ny mpitandro filaminana avy amin’ny Omc Antananarivo. Etsy ankilany nivory mandamina ny paik’ady ny etamajaoro politika avy amin’ny fanoherana hatramin’ny omaly .
Taorian’ny serasera nataon’ny mpanohitra moa dia maro ireo olon-tsotra sy rafitra eto an-toerana sy iraisampirenena no mametraka ahiahy ny amin’ny mety hisiana ambadika fanakorontanana mandritra ny fihetsiketsehana.
Ny Fanoratana.

