PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA : Sady hitondra ny feon’i Madagasikara no mitondra ny feon’ny SADC anio
Handray fitenenana amin’ity Fivoriamben’ny Firenena Mikambana ity, ny Filoha Andry Rajoelina anio. Hitondra ny feon’i Madagasikara izy amin’izany manoloana ny lohahevitra iraisana, sy mahakasika ireo ambana iraisan’izao tontolo izao, fa indrindra koa mahakasika ny ady sisika sy lokanady, izay mifandraika amin’ny laharam-pahamehan’i Madagasikara sy ny mahasoa ny vahoaka malagasy. Amin’ny maha Filohan’ny SADC azy koa no andraisan’ny Filoha Andry Rajoelina fitenenana manoloana ny Firenena Mikambana. “Promouvoir l’industrialisation, la transformation du système agricole et la transition énergétique pour une SADC résiliente”, no lohahevitra entin’ny Filoha Rajoelina itantanana ny SADC. Amin’ny maha Filohan’ny Vondrona SADC an’i Madagasikara, dia mitondra ny feon’ny Vondrona eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary miaro ireo laharam-pahamehana, izay mifantoka amin’ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika ara-toekarena, amin’ny alalan’ny famoronana asa mendrika, indrindra ho an’ny tanora, sy ny fampiasana ny harena ao an-toerana, mba hananana fahaleovantena sy itandrovana ny fiandrianam-pirenena koa, araka izany, ny Filoham-pirenena.
Hanao ny adisisika rehetra i Madagasikara
Manamarika ny faha 80 taonan’ny ONU koa ity Fivoriambe faha 80 ity. Fotoana anaovana jery todika sy amaritana paikady vaovao manoloana ny zava-misy maneran-tany ny dinika izay atao ao New York manomboka omaly, hatramin’ny faha 27 septambra. Ny fanatrehana sy ny fandraisana anjara mavitrika amin’izany kihon-dalana izany, dia hitondra vokatra miabo ho an’i Madagasikara satria eo no ahafaha-manao ny fihaonana isan-karazany sy ny ady sisika rehetra, mifantoka amin’ireo laharam-pahamehana voatanisa. Manoloana ny sedra sy ny fanamby mahakasika fandriampahalemana, ny fiarovana, ny fampandrosoana, ny fanajana ary ny fampiroboroboana ny zon’olombelona, dia hita fa tsy efan’ny firenena iray na vondrom-pirenena ny fiatrehana izany. Noho izany, Madagasikara dia maneho ny fahavononany tanteraka haneho ny firaisan-kina amin’ireo firenena rehetra, hahafaha-mahita ny tombontsoa eo amin’ny sehatra ara-barotra, fifampiraharahana iraisam-pirenena marolafy, toa ny famatsiam-bola mikasika ny toetr’andro.
Rado Harivelo




